Fiaraha-monina

Tapitra ny tetikasa VectorLink: olona 6 tapitrisa mahery voaaro amin’ny tazomoka

Nampahafantarina omaly, tetsy Ankorondrano, ny fiafaran’ny tetikasa “VectorLink”, izay niompana betsaka ta­min’ny ady amin’ny tazomoka teto Madagasikara. Na­nom­boka ny taona 2018 ny tetikasa ary nitentina 12 tapitrisa dolara ny vola niasana, izay novatsian’ny Vinan’ny filoha amerikanina ho an’ny ady amin’ny tazomoka (PMI) ary tantanan’ny USAID. Malagasy miisa 1,4 tapitrisa no […]

Fanentanana fanjarian-tsakafo : nifaninana ny samy mpianatra

Nikarakara fifaninanana fanentanana hafatra iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny sekoly tao anatin’ny faritra Analamanga ary anisany ny kaominina Fenoarivo ny Foibem-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny sehatra tsy miankina ary ny fikambanana samihafa. “Fampitan-kafatra faobe ho an’ny fanjarian-tsakafo no tanjona ary natao amin’ny fifaninanana […]

Seba sy MadCap Isotry : ankizy 300 nisitraka tohana avy amin’i Chine

Tafiditra ao anatin’ny tan-tsoroka ho an’ireo firenena afrikanina miara-miasa amin’i Chine ireo fitaovana natolotra ho an’ny ankizy, avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena sinoa. Notoloran’ny masoivoho sinoa fitaovana isan-karazany ireo an­kizy 300, zanaky ny sahirana etsy amin’ny Seba sy MadCap Isotry, omaly. Nahitana vary, menaka, kidoro, savony, kilalao, fitaovam-pianarana, akanjo, kiraro, tohana […]

CUA-OIF : nosantarina ny fizarana kopia faobe

Nisitraka ny kopia nahaterahana voalohany, tamin’ny alalan’ny tetikasa kopia fao­be, ireo ankizy 20 teto Anta­nanarivo Renivohitra. Nano­lotra izany mivantana, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antana­narivo Renivohitra, Andrian­tsi­tohaina Naina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) no nahafahana nanatanteraka izany. Miisa 4.207 ny kopia ho­zaraina amin’ity andiany voalohany […]

Herinandron’ny Mpanazava : ampiana ny ankizy hitrandraka ny talenta ao aminy

Nankalazaina ny faran’ny herinandro lasa teo ny herinandron’ny mpanazava eto Madagasikara. Notanterahina teny Alarobia ny hetsika ho an’ny mpikambana teto An­tananarivo. Tonga nanatrika izany ireo ankizy mpikambana rehetra avy eto Antana­narivo Renivohitra. Mpa­natalenta mizara ny fahazavana, ny lohahevitra nosafi­dian’izy ireo tamin’ity taona ity. Maro amin’ny ankizy no manana talenta ka […]