Fiaraha-monina

Tetikasa JMCT : vonona hanohana ny filohan’ny Repoblika

Nihaona tamin’ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina An­dry, ny ekipan’ny tetikasa Jeunesse malagasy compétente au travail (JMCT), nahitana ny talen’ny tetikasa any Ka­nada, Sylvain Benoît, ny ta­len’ny tetikasa eto Madagasi­kara Rakotondrajaona Luc. Nampahafantatra ny voto­atin’ny tetikasa JMCT izay manatsara (manomana mialoha) ny fidiran’ny mpianatra anatin’ny sehatry ny asa, 18 ka hatramin’ny […]

Fampiakarana ny tahan’ny fanaovam-baksiny : hametraka paikady ny raiamandreny ara-drazana 120

Hiara-hiasa ny Ampanjaka sy ny minisiteran’ny Fahasalamana ary ny mpanohana teknika sy amin’ny vola hampiakarana ny tahan’ny fanaovam-baksiny. Nidina ny tahan’ny fanaovam-baksiny teto amintsika nandritra ny fiparitahan’ny Covid-19 noho ny fihibohana sy ny tsaho maro niely. Tsy ny vaksiny miaro amin’ny Covid-19 iha­ny no nampalaina ny vahoaka fa nihena koa […]

toliara : misongadina ny vehivavy

Nisongadina nandritra ny fakan-kevitra, natao tany To­liara, ny anjara toeran’ny ve­hivavy amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Manaporo­fo ny fanadihadiana nataon’ny minisiteran’ny Mponina fa ny vehivavy no tena fanoitra ho amin’izany. Sady manana fa­ha­matorana amin’ny fitantanam-bola no mahomby amin’ny fitehirizam-bola izy ireo raha miohatra amin’ny lehilahy. Nahitana izany ny fanaraha-maso taorian’ny fizarana […]

Fadimbolana : hamafisina ny fifampiresahana eo amin’ny mpianaka

Nankalazaina ny faran’ny herinandro teo ny Andro maneran-tany ho an’ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana. Nanatanteraka izany teny amin’ny paroasy Anosy avaratra sy Ambohitsoa ny fikambanana fanilon’i Mada­ga­sikara, eto Antananarivo. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra fa ilaina sy zava-dehibe ny fahatongavan’ny fadimbolana, ary ny fahadiovana mandritra izany eo amin’ny ankizivavy. Mbola […]

Autiste : azo ampisaina ny fihetsika

Nijanona teto Madagasi­kara nandritra ny iray volana sy tapany ny orthophoniste belge sady mpampiofana, Dominique Ruidant. Nanao fifampizarana ny fomba fifaneraserana amin’ny alalan’ny fihetsika (sesame) amin’ny olona hafakely izy, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny Autisme Madagas­car, Ravelonarivo Mihanta. Miainga amin’ny fampiasana ny tenin’ny tanana izany. Fanehoana sy fizarana […]