Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny fivoriambe tsy ara-potoana nataon’ny Ivom-panajariana ny Tanànan’Antananarivo sy ny manodidina (Ipam). Fotoana nanamboarana sy nikitihana ny sata mifehy ny fikambanana. Ahafahana mijery sy mampiditra olona manam-pahaizana manokana hiara-hiasa amin’izy ireo ny antony nikitihana izany. Tanjona ny hahafahan’izy ireo miantsehatra amin’ny fampandrosoana ny […]
Fiaraha-monina
CUA – Masoivohon’i Suisse : nitsidika ny mpamonjy voina teny Tsaralalana
Tonga nitsidika ny tobin’ny sampana mpamonjy voina, teny Tsaralalana, ny masoivohon’i Suisse miasa eto Madagasikara, omaly. Nandray azy teny an-toerana tamin’izany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Tafiditra ao anatin’ny herinandron’ny fandriampahalemana ny fitsidihana nataony. Mba hahafahana mamantatra ny fomba fiasan’ny mpamonjy voina eto Antananarivo, mikasika ny fiarovana ny ain’ny […]
Faritra Atsimo Andrefana: ankizy 65.000 hisitraka ny tetikasa “Zara Mira”
Tafiditra ao anatin’ny sokajin’olona marefo ny ankizy sy ny olona manana fahasembanana ary ny reny bevohoka. Hisahana azy ireo ny tetikasa “Zara Mira” izay hizara tohana manokana. Hotanterahina ao amin’ny kaominina Itampolo, anio, ny fisantarana ny tetikasa “Zara Mira” ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Ankizy manodidina ny 65.000 no heverina […]
Tohanan’ny Masoivoho Amerikanina : miaramila 41 nandalina ny fiteny anglisy tao amin’ny MDN
Amin’ny maha Nosy antsika, ilaina ny fifehezana ny teny anglisy, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, nandritra ny famoahana ireo mpianatra 41 mianadahy nahavita fiofanana momba ny teny anglisy… Notolorana mari-pahaizana, omaly, ireo mpianatra 41 mianadahy, nahitana sivily sy miaramila, nandalina manokana ny teny anglisy […]
Cisco Tana-Ville : hiditra amin’ny CEPE andrana faharoa ny mpiadina
Manakaiky ny fotoana hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2023 ity. Efa eo am-panomanana izany ny ankamaroan’ny sekoly satria efa vita avokoa ny fandaharam-pianarana, raha nanontaniana. Ankoatra izay, vonona ara-tsaina sy ara-batana ary ara-pitaovana avokoa ny ankamaroan’ireo ankizy hiatrika ny fanadinam-panjakana. Nahavita ny fanadinana andrana andiany voalohany avokoa ireo mpiadina […]