Nankalazaina omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpamonjy voina. Nampahafantarina ny rehetra ny asa sy ny andraikitr’ izy ireo nandritra izany. Nisy, araka izany, ny varavarana misokatra ho an’ny rehetra, teny amin’ny tobin’ny mpamonjy voina Tsaralàlana sy Analamahitsy. Tanjona ny hampahafantarana ny mponina ireo andraikitra sy tsara ho fantatra rehetra […]
Fiaraha-monina
Fampiroboroboana ny fambolena : jerena ny voly mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro
Masomboly tsara kalitao misy ireo singa sy otrikaina mitondra fahasalamana sy mifanaraka amin’ny toe-tany sy ny toetr’andro. Ireo no tanjona napetraky ny tetikasa Foodsec Semence entina hanatsarana ny seha-pambolena sy famokaran’ireo tantsaha. Anatin’ny fanatsarana ifotony ny lalam-pihariana famokarana sy ny fampitomboina ny mpamokatra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Misy, […]
Fitrandrahana heladrano : mampiasa zaza maherin’ny 10.000
Mampidi-doza ny fitrandrahana heladrano na mica tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Ankizy maherin’ny 10.000 no mitrandraka, ao amin’ny faritra Anosy. Misitrika any anaty lavaka ny ankizilahikely. Mahafaty ny fahasemporana aterak’izany noho ny tsy fahampian’ny rivotra. Mitatitra ny vokatra ety ambony ny tovovavikely. Matetika iharan’ny fanararaotana ara-nofo ataon’ireo mpanangona ny vokatra. Betsaka […]
Faritra Atsimo : Ezahina beazina ny ankizy kere
«Tsy mbola mazoto mianatra ny ankamaroan’ny ankizy noho ny fisian’ny kere any amin’ny faritra Atsimo», hoy ny filoha mpitantana ny akany Fiadanantsoa Anketraka, Toliara II, Tsianoro Berthine, omaly. Manampy ny ray aman-dreny hampiditra ny zanany an-tsekoly, ny fikambanana Malaza ny Gasy amin’ny alalan’ny “École de la chance” any an-toerana. Maro […]
Aretina mamany lava : vehivavy 25 hodidiana maimaimpoana
4 000 ny isan’ny trangana aretina mamany lava voatily isan-taona , eto Madagasikara. Hisy ny hetsika manokana hanampiana azy ireo. Vehivavy saro-piterahana mila fandidiana (césarienne) nefa tsy nanao izany, noho ny antony maro ka niteraka ny faharovitan’ny tatavia no mivadika ho mamany lava. Mivalan-drano tsy voatana intsony izy ka miteraka […]