Fiaraha-monina

Seba sy MadCap Isotry : ankizy 300 nisitraka tohana avy amin’i Chine

Tafiditra ao anatin’ny tan-tsoroka ho an’ireo firenena afrikanina miara-miasa amin’i Chine ireo fitaovana natolotra ho an’ny ankizy, avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena sinoa. Notoloran’ny masoivoho sinoa fitaovana isan-karazany ireo an­kizy 300, zanaky ny sahirana etsy amin’ny Seba sy MadCap Isotry, omaly. Nahitana vary, menaka, kidoro, savony, kilalao, fitaovam-pianarana, akanjo, kiraro, tohana […]

CUA-OIF : nosantarina ny fizarana kopia faobe

Nisitraka ny kopia nahaterahana voalohany, tamin’ny alalan’ny tetikasa kopia fao­be, ireo ankizy 20 teto Anta­nanarivo Renivohitra. Nano­lotra izany mivantana, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antana­narivo Renivohitra, Andrian­tsi­tohaina Naina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) no nahafahana nanatanteraka izany. Miisa 4.207 ny kopia ho­zaraina amin’ity andiany voalohany […]

Herinandron’ny Mpanazava : ampiana ny ankizy hitrandraka ny talenta ao aminy

Nankalazaina ny faran’ny herinandro lasa teo ny herinandron’ny mpanazava eto Madagasikara. Notanterahina teny Alarobia ny hetsika ho an’ny mpikambana teto An­tananarivo. Tonga nanatrika izany ireo ankizy mpikambana rehetra avy eto Antana­narivo Renivohitra. Mpa­natalenta mizara ny fahazavana, ny lohahevitra nosafi­dian’izy ireo tamin’ity taona ity. Maro amin’ny ankizy no manana talenta ka […]

Tetikasa JMCT : vonona hanohana ny filohan’ny Repoblika

Nihaona tamin’ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina An­dry, ny ekipan’ny tetikasa Jeunesse malagasy compétente au travail (JMCT), nahitana ny talen’ny tetikasa any Ka­nada, Sylvain Benoît, ny ta­len’ny tetikasa eto Madagasi­kara Rakotondrajaona Luc. Nampahafantatra ny voto­atin’ny tetikasa JMCT izay manatsara (manomana mialoha) ny fidiran’ny mpianatra anatin’ny sehatry ny asa, 18 ka hatramin’ny […]

Fampiakarana ny tahan’ny fanaovam-baksiny : hametraka paikady ny raiamandreny ara-drazana 120

Hiara-hiasa ny Ampanjaka sy ny minisiteran’ny Fahasalamana ary ny mpanohana teknika sy amin’ny vola hampiakarana ny tahan’ny fanaovam-baksiny. Nidina ny tahan’ny fanaovam-baksiny teto amintsika nandritra ny fiparitahan’ny Covid-19 noho ny fihibohana sy ny tsaho maro niely. Tsy ny vaksiny miaro amin’ny Covid-19 iha­ny no nampalaina ny vahoaka fa nihena koa […]