Fiaraha-monina

Manampy amin’ny fiverenana eny anivon’ny fiarahamonina : nohavaozina ny ivontoeran’ny fitsaboana ara-javakanto-CHU Anjanamasina

“Dingana ilaina amin’ny fitsaboana ny fahasalaman’ny saina ny fitsaboana ara-javakanto. Manampy betsaka ny olona avy nanaraka fitsaboana teny amin’ny CHU, misahana ny fahasalamana ara-tsaina, Anjanamasina, hiomana hiverina eny anivon’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina izany”, hoy ny talen’ny hopitaly CHU Anjanamasina, dokotera Rahanitrandrasana Esther Odile, omaly, teny an-toerana. Nohavaozina ny ivontoerana […]

Ady amin’ny lefakozatra : zaza 215 vita vaksiny tao Andodabe

Fokontany Ambalatenina avaratra, kaominina ambanivohitra Andodabe no nanatanterahan’ny governora, Rafi­dison Richard Theodore, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny faritra Atsi­nanana ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny lefakozatra ho an’ny ankizy latsaky ny 5 taona, ny herinandro teo. Nanamafy hatrany ity tomponandraikitra voalohany ny fampandrosoana ato anatin’ny faritra Atsinanana ity fa ilaina […]

Css, 30 taona… : nahazo mari-pankasitrahana ny mpiasa

Nofaranana teny Ambato­maro, ny sabotsy teo, ny herinandro fankalazana ny faha-30 taonan’ny ivontoeram-pitsaboana (CSS) Avaradoha. Notolorana mari-pankasitrahana tamin’izany ireo mpiasa 24, naharitra sy nahatoky teo anivon’ny orinasa. Nahazo ny  « Ordre national »  ny efatra tamin’izy ireo, nahazo ny  « Ordre de mérite »  ny iray, nahazo ny « Médaille de travail »  ny fito ary […]

Ipam : Misehatra hampandroso ny renivohitr’ i Madagasikara

Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Ana­lakely, ny fivoriambe tsy ara-potoana nataon’ny Ivom-panajariana ny Tanànan’An­ta­na­narivo sy ny manodidina (Ipam). Fotoana nanamboarana sy nikitihana ny sata mifehy ny fikambanana. Ahafahana mijery sy mampiditra olona manam-pahaizana manokana hiara-hiasa amin’izy ireo ny antony nikitihana izany. Tan­jona ny hahafahan’izy ireo miantsehatra amin’ny fampandrosoana ny […]

CUA – Masoivohon’i Suisse : nitsidika ny mpamonjy voina teny Tsaralalana

Tonga nitsidika ny tobin’ny sampana mpamonjy voina, teny Tsaralalana, ny masoivohon’i Suisse miasa eto Ma­dagasikara, omaly. Nandray azy teny an-toerana tamin’izany ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo Renivohitra, An­drian­tsitohaina Naina. Tafi­ditra ao anatin’ny herinandron’ny fandriampahalemana ny fitsidihana nataony. Mba ha­hafahana mamantatra ny fom­ba fiasan’ny mpamonjy voina eto Antananarivo, mikasika ny fiarovana ny ain’ny […]