Sahirana ara-pivelomana avokoa ny 95% amin’ireo ankizy marary miditra ny hopitalim-panjakana. Mandray an-tanana ny fitsaboana azy ireo sy mizara fanafody maimaimpoana ny Compassion de Madagascar. Anisan’ny misitraka izany sy noraisina an-tanana koa ireo olona tena misedra aretina sarotra sitranina, toy ny homamiadana, nefa sahirana ara-pivelomana. Tanjona ny hanampiana ny ray […]
Fiaraha-monina
Ady amin’ny herisetra : fanamby maro hiarovana ny ankizy
Tany Bogota Colombie ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ny herinandro teo, niatrika ny fivoriambe voalohany maneran-tany mahakasika ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy. Nampahafantarina, tamin’izany, ny ezaka sy ny zava-misy eto Madagasikara manodidina ny fiarovana ny ankizy iharan’ny herisetra. Napetraka ireo fanamby hotanterahina, toy ny […]
Ady amin’ny doro tanety: nivoaka ny drafitra ho fiatrehana ny hamehana
Mila paikady mazava sy mahomby ny ady amin’ny doro tanety. Izany indrindra no antony namolavolana ny drafitra entina hifehezana izany. Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny drafitra ho fiatrehana ny hamehana amin’ny doro tanety sy doro ala, niarahana tamin’ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Totolo iainana. Noho ny firongatry ny fandoroana […]
Olan’ny herinaratra: Niketrika fitaovana ny VTM
Nampahafantatra ny fitaovana vitany, niainga amin’ny fikarohana nataony, ny Vondron’ny tanora (VTM). Nambaran’ny filohany, Rakotomalaza Desiré, fa anisan’ny antony nahatonga azy ireo nikaroka sy nitady vahaolana ny fahitana ny fahasahiranan’ny vahoaka eo amin’ny delestazy sy ny fahatapahan’ny herinaratra. Eo ny fahasimban’ny fitaovana rehefa miseho izany na koa fahapotehan’ny fihariana madinika […]
« Salagnitry Fagnosafy»: Nanomezana vahana ny toeram-pitsangantsangana ao Farafangana
« Salagnitry Fagnosafy » no anarana nampitondrain’ny Fikambanan’ny zanak’Antesaka monina eto Farafangana (Fizaa), ny hetsika ara-kolontsaina sy fanatajahantena entina hanomezana vahana ny toeram-pitsangantsanganana hitarika mpizahatany any an-toerana ny fiandohan’ny volana teo ary naharitra roa andro. Nosantarina tamin’ny filaharana avy amin’ireo foko namakivaky ny tanàna ny hetsika izay niafara tao amin’ny « phare » Amboanio […]





