Hifarana ny 10 septambra izao ny fandefasana antontan-taratasy hifaninanana hahazoana ny vatsim-piofanana “Mandela Washington Fellowship for Young African Leaders » ho an’ny taona 2025. Anisan’ny tanora malagasy efa nisitraka ny fiofanana i Yvan Fabius, izay nitondra fanentanana tany amin’iny faritra Atsinanana iny, ho an’ ireo tanora maniry ny handray anjara. Efa […]
Fiaraha-monina
Fianarana ampitain-davitra: mahasarika ireo efa miasa sy manam-bady
Mirona amin’ny fampianarana ampitain-davitra ny ankamaroan’ny fianarana ambaratonga ambony eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tsy voatery manatona sekoly intsony ny mpianatra vao afaka mandranto fianarana fa azo atao ny manaraka ny fianarana ampitain-davitra. Voasarika kokoa amin’izany ireo olona efa miasa sy manam-bady. Antony, ny tsy fananana fotoana firy handehanana any […]
Mihamafy ny fiainana : Ifandrombahana ny hampiana-janaka amin’ny sekolim-panjakana
Nanomboka ny fotoana nivalian’ny fanadinana bakalorea, tsy latsaky ny 20 isan’andro ireo tonga manao fangatahana hiditra ho mpianatra amin’ny sekolim-panjakana mandalo eny amin’ny fokontany. Ifanotofana ny fampidirana mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana. Manaporofo ny fahasahiranan’ny olona eny anivon’ny fiarahamonina izany. Betsaka ireo mangataka alalana eny amin’ny kaominina sy fokontany milaza ho […]
1er Bataillon Parachutiste Ivato : nahazo traikefa avy amin’ ny Tafika amerikanina
Notanterahina teny amin’ny tobin’ny 1er Bataillon Parachutiste Ivato, ny 30 aogositra 2024 teo, ny fanolorana ny mari-pahaizana ho an’ireo miaramila 30 mirahalahy ao amin’ity vondron-tafika ity. Nahavita fanazarantena sy ny taktika ary ny fototra maha miaramila, niarahana tamin’ny Tafika amerikanina, izy ireo nandritra ny enina herinandro. Nanatrika ity fotoana ity […]
Rafanomezantsoa Jean Nirina : «Mila fankaherezana sy tohana ny filoha Rajoelina»
Tafajoro ny Malagasy manohana ny Filoha Andry nirina Rajoelina, izay tarihin’i Jean Nirina Rafanomezantsoa, najoro ny vovonana natao hanampy ny Filoha eo sehatra rehetra ary hanampy ihany koa amin’ny sehatry ny asa sosialy sy ny maha olona ho fanampiana ny vahoaka madinika. «Maro ny sakana mahazo ny filoha amin’ny fanohanany […]




