Nidina nijery ny fizotran’ny fanamboarana ireo trano fonenana, aorin’ny Seimad ,ao Manazary Betsizaraina, ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Andriamanohisoa Gérard, omaly. Misokajy 2 ny trano eny an-toerana, efitra 4 sy efitra 3. Anarana iantsoana ity tanàna vaovao ity ny hoe, Soa Iadanana. Trano miisa 55 […]
Fiaraha-monina
CSS Avaradoha: nahazo fiahiana ireo sahirana
Mahatratra 284.225 ireo sahirana ara-pivelomana notsaboina maimaimpoana teny amin’ny Centre de soin et de santé (CSS) Avaradoha nandritra ny 30 taona, raha ny tatitra voaray omaly. “Tsy misitraka fitsaboana ara-dalàna ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy noho ny fahasahiranana mahazo azy”, hoy ny Dr Randrianalison Andrianomentsoa. Ny fahatsapana izany no antony nahatonga […]
Fahasalamana : tsy misy antony mazava ny 95%-n’ny tosidra avo
Nitondra fanazavana ny dokotera Ramiandrisoa Lahatriniavo Ritchy, tamin’ ny fandaharana manokan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mikasika ny fihenjanan’ny lalandra na ny fiakaran’ny tosidra araka ny mahazatra ny maro. Anisan’ny mahafaty olona maro rehefa tonga amin’ ny fahasarotana ny fihenjanan’ny lalandra. Mizara roa ny tosidra, ambony (tension arterielle systolique) mihoatra ny 140mmHg sy […]
Toetr’andro : mandindona ilay rivodoza Fabien
Nivoatra be ilay rivodoza Fabien ka lasa «forte tempête tropical modérée», omaly, araka ny nambaran’ny mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby. Mizotra mianatsimo andrefana ny diany. Tsy mbola ahiana amin’ ny toetr’andro eto Madagasikara i Fabien. Tombanana tsy dia hihetsika izy hatramin’ny alakamisy ary heverina hiverina hianatsimo atsinanana aorian’izay. […]
Fitsaboana ny aretin’ny lalandra sy ny fo : lafo ny fanafody sy ny fitaovam-pitsaboana
Mbola olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara ny fananan’ny olona tosidra ambony. Ho an’ny olona 25 taona no ho miakatra, mahatratra 35,8% no manana tosidra ambony, araka ny fanadihadiana farany nataon’ny manam-pahaizana manokana momba ny fitsaboana ny aretin’ny fo sy ny lalandra. “Lafo ny vidim-panafody hitsaboana ny aretin’ny fo sy […]