Fiaraha-monina

Fividianana fanjaitra sy SSI: nisy farmasia nitaky “ordonnance”

Taitra ireo renim-pianakaviana nividy fanjaitra fanindronana sy sérum SSI fanadiovana oron’ny zaza teny amin’ny farmasia eto Anta­nanarivo, omaly, fa nitaky taratasy mazava avy any amin’ny mpitsabo manambara ny filana ireo fitaovana ireo ny mpivaro-panafody. Voatery niverina tany amin’ny mpitsabo mihitsy nanazava sy naka ilay taratasy izy ireo ka niteraka fahasorenana. […]

Olona diabetika : aretin’ny fo sy ny lalandra no mahafaty ny 60%

Nitondra fanazavana ny Dr Raherison Rija Eric, endocrinologue, interniste, eo anivon’ny hopitaly Befelatanana (CHUJRB), mikasika ny karazana diabeta mateti-pitranga izay mahavoa ny ankama­roan’ny olona amin’izao fotoana. Nasongadiny tamin’izany fa ny aretin’ny fo sy ny lalandra no mitarika ny 60%-n’ny fahafate­san’ireo olona diabetika. Vokatry ny fiakaran’ny tahan’ny siramamy maharitra ao amin’ny […]

Mijaly am-panambadiana: 4 taona niaretana herisetra, daroka i Roger sy Maharitra

Tranga matetika, ny vehivavy no tena iharan’ny herisetra amin’ny endriny samihafa eto amintsika. Noho ny fanentanana marobe nataon’ny ONG tao anatin’ny taona maromaro, efa miandahy miambavy ny famakiana bantsilana ny zava-misy. Rehefa tena feno ny kapoaka, tonga eny amin’ny ivontoerana eny Mahamasina ireo lehilahy niaritra an-taonany herisetra ao anaty tokantrano. […]

Vondrona Eoropeanina : hanohana ny Malagasy mpandraharaha

Mbola anatin’ny herinandron’i Eoropa isika. Maro karazana ny hetsika hanama­rihana ity fankalazana ity. Omaly, nisy ny atrikasa natao, teny Ankorondrano, nihao­nan’ny Vondrona Eoropeani­na tamin’ireo sehatra tsy miankina. “Mikasa hanohana ny Malagasy mpandraharaha amin’ny fidirana eo amin’ny tsena eoropeana ny Vondrona Eoropeanana”, hoy ny fanazavan’ny masoivohony eto Madagasikara, Isabelle De­lattre. Misy […]

Betongolo : vehivavy nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be

Mitsikombakomba amin’ ny resevera! Vehivavy iray nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be teny Betongolo, oma­ly. Niditra toy ireny mpandeha ireny ny jiolahy roa niaraka tamin’ny antsy. Araka ny fanazavan’ilay niharam-boi­na, teo akaikin’ny chapelle militaire Betongolo, omaly tamin’ny 9 ora sy 30 mn no nitranga ity fanendahana ity. Jiolahy roa nitondra antsy […]