Fiaraha-monina

ONN-Foara B to C : nizara torohevitra momba ny sakafo

Nisokatra ny alarobia lasa teo ny “Foara B to C”, nandraisan’ireo fikambanana na ONG anjara, tanterahina eny an-tokotanin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolotsaina Mahamasina. Nitondra torohevitra ho an’ny mpitsidika momba ny fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fampianarana ny sakafo ara-pahasalamana ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN). Manana toby Fafi […]

Sambo Mercy Ships : hohavaozina ny fifanarahana amin’ny fanjakana malagasy

Nanana anjara betsaka tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo ny lafiny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka. Hotohizana ny fiaraha-miasa amin’ny Mercy Ships Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny mini­sitra farany teo ny firosoana amin’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fikambanana tsy miankina Mercy Ships. Ny taona 2014 no nisy ny […]

Fahasalamam-bahoaka: handao an’i Madagasikara ny Mercy Ships

Tapitra ny fotoana hiasan’ny Mercy Ships eto Madagasikara. Handao ny Nosy amin’izay ity sambo mpanao asa soa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ity. Enim-bolana izay no na­hatongavan’ny sambo Mercy Ships  teo amin’ny seranan-tsambon’ i Toa­masina. Ankehitriny, miomana hitodi-doha hiverina any amin’ny firenena niaviany amin’izay ity sambo lehibe nisahana ny fahasalamam-bahoaka […]

INDRAY MIJERY

Fitokanana trano mora. Hatomboka any Nosy be, ny volana septambra izao, ny fitokanana ny trano mora ataon’ny fitondram-panjakana eto amin’ny Nosy. “Tohizana ao Morondava, Antsirabe, Imerintsiatosika ary faranana ao Toamasina izany”, hoy Andriamanohisoa Gerard, avy ao amin’ny SENVH. Fomba telo no handoavana ny vidin’ny trano. Misy azo aloha ao anatin’ny […]

Hetsika ara-tsosialy: nahazo fanampiana ny manana fahasembanana

Nanome fanampiana ara-bola ho an’ireo olona manana fahasembanana sy sahirana ny “groupe axian”, omaly, tetsy Andraharo. Nisitraka ny tolotra ireo olona manana fahasembanana sy sahirana monina eto Antananarivo sy ny manodidina. “Nanokana fotoana kosa izahay androany mba hahafahana miresaka momba ny fahasahiranana misy eo amin’ireo olona ma­nana fahasembanana ireo”, hoy […]