Fiaraha-monina

Taranja OSE: niofana ny mpampiofana mpampianatra 54

Manao antso amin’ny minisitera mpiahy ireo mpitantana sekoly tsy miankina momba ny fanofanana ireo mpampianatra ao amin’izy ireo ho an’ny taranja vaovao rehetra. Niditra amin’ny fizarana faharoa amin’ny fampiofanana ireo mpampiofana mpampianatra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, tamin’ny alalan’ny foibem-pitondrana misahana ny fandaharam-pianarana sy ny fikarohana ara-pedagojia. Taorian’ny fiofanana nataon’izy ireo ny […]

Mamonjy aina ny fanasana tanana : afaka misoroka otrikaretina maro

“Miara-mientana isika, ndao hanasa tanana, satria mamonjy aina ny fanasana tanana”. Nomarihina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny fanasana tanana eny anivon’ny tobim-pahasalamana ka nanao hetsika koa ny teto Madagasikara. Ny 80%-n’ny otrikaretina azo eny amin’ny tobim-pahasalamana dia avy amin’ny tsy fanasan’ny mpiasan’ny fa­hasalamana, marary ary ny mpiandry marary tanana […]

Peace Corps : mpilatsaka an-tsitrapo 21 vita fianianana

Mpilatsaka an-tsitrapo 21 mianadahy indray no nahavita fianianana, omaly, teo anoloan’ny Mpanolotsaina voalohan’ny Ambasady ame­rikana, Tobias Gluck­s­man. Hanampy isa ireo efa eto an-toerana izy ireo hiantsehatra amin’ny asa sosialy any amin’ny toerana ambanivohitra. Miverina tsikelikely ny asan’ny Peace Corps ankehitriny, taorian’ny fampodiana faobe ireo mpilatsaka an-tsitrapo, vokatry ny valanaretina Covid-19, […]

Tetikasa  Iarivo Speaking English : tanora 60 mianadahy mahafehy ny teny anglisy

Mpianatra 60 mianadahy, nanaraka ny fampianarana teny anglisy maimaimpoana nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny tetikasa « Iarivo Speaking English », no notolorana mari-pankasitrahana, omaly , tetsy amin’ny Tranompokonolona Ana­la­kely. Nisalotra ny anarana “Pride of Iarivo” ity andiany fahatelo ity. Nianatra nandritra ny efa-bolana izy ireo ary ma­havoafehy tanteraka ny teny anglisy […]

Kaominina Ivato : 1000 isan’andro ny tonga manao kara-tany

Nanomboka ny talata teo ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo olona mikarakara ny kara-tany , eny amin’ny kaominina Ivato. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasan’ny fanjakana tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, hanaovana kara-tany faobe, hahafahan’ireo olona misitraka ny taniny ara-dalàna ny hetsika. Manodidina ny 1.000 isan’andro ny olona tonga ma­nao ny fangatahana kara-tany ao anatin’ity hetsika […]