Maty teo am-panavotana ny katekista niharan’ny fanafihan-dahalo tao Mampikony, omaly, ny pastora François Vivier. Nokapain’ny dahalo ny antsibe koa ny vadin’ilay katekista… Nisy dahalo nanafika tao an-tranon’ny katekista Tsaratombo eo anivon’ny Fiangonana loterana malagasy (FLM) Andranomadio, fitandremana Tsangambato, fileovana Mampikony, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Mifanakaiky amin’ny trano fonenan’ny pastora […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Nandray ireo mpianatra avy ao amin’ny Oniversite Emit Fianarantsoa, nitsidika ny birao foiben’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, mandritra ny “voyage d’études” tanterahin’izy ireo eto Antananarivo, ny tale jeneralin’ny BNGRC sy ny ekipany. Mpianatra M1 amin’ny lalam-piofanana Management décisionnel izy ireto, izay miisa 90. Nisy […]
Fiarovana amin’ny nendran-gidro : nahazo fatram-baksiny voalohany i RDC
Firenena afrikanina 13 amin’izao fotoana izao no ahitana ny valanaretina nendran-gidro na Mpox. Ao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) ny 90% amin’ny tranga 3 500 voatily, araka ny nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), ny herinandro lasa teo. Miovaova isaky ny firenena ny tahan’ny olona voatily fa marary. I […]
Bakalorea Toamasina : 66,30% ny taham-pahafahana
Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny valim-panadinana bakalorea ho an’i Toamasina. Ho an’ny fampianarana ankapobeny, mahatratra 65,66% ny taham-pahafahana, raha 78,33% kosa ho an’ny fampianarana teknika. Manome taham-pahafahana 66,30% ho an’ny fanadinana tamin’ity taom-pianarana ity, raha ny fanazavana azo. Ny zoma tamin’ny 5 ora hariva vao niantomboka ny “délibération”, nialohavan’ny […]
Lions Club Antananarivo Farimbona: nisitraka tolotra ara-pahasalamana maro ny mponina Anosizato
Nanome tolotra sy fizahana fahasalamana maimaimpoana ho an’ny mponina etsy Anosizato ny Lions Club Antananarivo Farimbona, ny sabotsy lasa teo. Notanterahina tetsy Anosizato Atsinanana, niaraha-niasa tamin’ny boriborintany fahefatra izany. Hita teny an-toerana, nandritra io fotoana io, ny fanomezan-dra, fitiliana diabeta, fijerena maso, ary fitsapana tosidra. “Betsaka ny olona miaina ao […]




