Fiaraha-monina

COUSP: Manamafy ny famaliana ny krizy ara-pahasalamana i Madagasikara

Nisy ny atrikasa natao tao Vakinankaratra, izay nifarana ny fiandohan’ny volana mey teo. Mamarana ny fihodinana nasionaly voalohany amin’ny fanatsarana ny COUSP isam-paritra na ny foibem-paritry ny vonjy taitra momba ny fahasalamam-bahoaka izany. Manamafy ny sehatra ara-pahasalamana i Madagasikara ka na­nohy ny fananganana ivontoeram-piasana vonjy taitra mom­ba ny fahasalamam-bahoaka. Hetsika […]

INDRAY MIJERY

Hahazo vahana hatrany ny alondrano avy atsimo-andrefana any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo andrefana ary atsimon’ny Nosy. Hi­ho­dina avy atsimo atsinanana izany any amin’ny mo­rontsiraka atsimo atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Hiitatra miandalana any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana kosa manomboka rahampitso. Tombony ho an’i Madagasikara ny mampiantrano ny fihaonamben’ny […]

Fitantanana loza sy tandindon-doza: Naka traikefa teto ny Protéction civile any Tchad

Naka traikefa teto Mada­ga­sikara ny ekipan’ny protéction civile avy any Tchad, momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza nandritra ny herinandro, teny anivon’ ny BNGRC. Nifarana omaly ny fivahinianan’izy ireo ary nizara ny vokatry ny fi­fampizarana teny Andraina­rivo ny roa ton­ta. Herintaona no nananganana ny protéction civile ao Tchad, […]

Fanabeazana ara-pananahana: Mila miofana koa ny ray aman-dreny

Nisy ny fifanakalozana niarahana tamin’ny fiarahamonina, mpitarika fiangonana, mpisehatra, tanora eny anivon’ny fikambanana momba ny fanabeazana ara-pananahana feno ahafahana mitady vahaolana iraisana nefa manaja ny finoan’ny tsirairay nokarakarain’ny Forum génération égalité (FGE), omaly, teny Besarety. Teo koa ny adisisika maro efa natao ary nisy ny vokatra azo satria efa nandrisika […]

Fanamby enina ho an’ny fanjarian-tsakafo: Namolavola drafitrasa iraisana ny solombavambahoaka sy ny Hina

Fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy fanatsarana ny fandrindrana ny asa amin’ny fanodinana ny vokatra no anisan’ny fanamby noraisin’i Madagasikara tany Paris nandritra ny N4G. Manana andraikitra hanara-maso ny fanatanterahana izany ny firaisamonim-pirenena sy ny solombavambahoaka ka namaritra paikady iraisana. Manoloana ny fanamby enina noraisin’i Mada­gasikara ho fanatsarana ny fanjarian-tsakafo, […]