Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Ahemotra ny datin’ny fanokafana ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora. Mampahafantatra ny fikambanan’ny tanora sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ny olom-pirenena rehetra ny minisitera fa mitaky fametrahana rindrandamina vaovao mahomby ny fikarakarana izany fihaonambe izany. Ao anatin’ny fanomanana ny fanadinana bakalorea, niara-nidinika ireo mpisehatra amin’ny fanatanterahana ny fanadinana. Nitarika izany ny sekretera jeneralin’ny Mesupres. […]

Orinasa star : Nitsinjo ny hopitaly HJRA

Mandray anjara feno amin’ny fanamarihana ny Volana natokana ho fankalazana ny zon’ny vehivavy ny andriambavilanitra ao amin’ny orinasa Star. Nanome tanana ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy ireo, ny 11 marsa teo. Nisy ny fanolorana kidoro natao manokana ho ampiasain’ny hopitaly, hanatsarana ny fandraisana ny marary tsaboina ao, amin’ny alalan’ny fitaovana […]

Herisetra ao an-tokantrano: Tena misy ny fanolanana ny vady

Tranga misy eny anivon’ny fiarahamonina ny fanolanana ny vady ao an-tokantrano saingy hodian-tsy hita na tsy misy sahy miresaka. Rehefa atao an-tery ny firaisana na mpivady aza dia efa herisetra ara-pananahana izay. “Matetika tsy mbola eken’ny sain’ny Ma­l­­a­­­gasy ny tranga fanolanana eo amin’ny mpivady kanefa tena mateti-pitranga izany”, hoy ny […]

Fanatsarana ny fanabeazana – ANTSIRABE: Nahazo trano vaovao ny kolejy Jules Verne

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy ny alatsinainy teo ny trano vaovao eo anivon’ny kolejy Jules Verne, Antsirabe. Nambaran’ny tomponandraikitra mpitantana fa natao ity «Pôle culturel et sportif» ity mba hanatsarana ny fiainan’ny mpianatra sy hanampy azy ireo ho amin’ny fanatsarana ny fianarany. «Toerana manan-danja eo amin’ny fiainana ara-kolontsaina sy fanabeazana eto […]

VMTAA sy ny Fami : Nisitraka famatsiam-bola

Nanolotra fanohanana ireo tetikasan’ny vehivavy misehatra amin’ny tontolo ambanivohitra Ambaniandrefana, Vakinankaratra, ny fitondram-panjakana. Natao afakomaly, teny Ambohitsirohitra, izany, notarihin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël. Nambarany fa hametrahana politika hanohanana ara-bola ireo tetikasa entin’ny tanora sy ny fikambanana miasa ho fanatsarana ny faripiainan’ny vahoaka. Nisitraka 20 tapitrisa Ar ho fanohanana ny fampiroboroboana ny […]