Fiaraha-monina

“Alahadin’ny firaisankina”: nahomby ny tolotra fitarafana maimaimpoana

Fahombiazana ny “Alahadin’ny firaisankina” nokaraka­rain’ny Institut médical de Madagascar (IMM), raha ny tom­bana avy amin’izy ireo. Santatra am-bavarano ny hetsika. Ankizy 25 no nisitraka fitarafana (échographie) maimaim­poana hahafahana manohy fitsaboana sy hahitana ny tena fototry ny aretina. Niaraka tamin’ny taratasy mazava avy amin’ny dokotera mpitsabo azy ireo ankizy ireo ka […]

Fanamafisana fahamailoana: mampiasa « Caméra » ny sekoly

Mbola miteraka horohoro eo amin’ny rehetra ny fahaverezana olona sy vono olona niseho nandritra ny fotoam-pialantsasatra ireny. Na an­kizy na tanora na olon-dehibe, samy lasibatra avokoa. Amin’izao fidiran’ny mpianatra izao, manamafy ny fanaraha-maso ny mpianatra na ny ray aman-dreny na ny sekoly, ho an’ny fandriampahaleman’ ny zaza sy ny ankizy. […]

Seha-pamokarana lohamenaka: ampitomboina ny fahafaha-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro

Nampahafantarina omaly, teny Ambatonakanga, ny tetikasa « Arche » izay hitondra fanavaozana ny fihariana mahakasika ny lohamenaka. Hampitombo ny fahafaha-miatrika amin’io seha-pamokarana io manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Marefo i Madagasikara noho ny fikorontanan’ ny toetr’andro, mihamafy ny fisehon’izany. Vo­ka­ny, marefo ny seha-pamokarana lohamenaka. Miankina amin’ ny fambolena sy ny toetr’andro. […]

Eny amin’ny biraom-panjakana: tokony horaisina tsara ny rehetra

Nanaovan’ny minisitry ny Asa, Denis Franconio Mac, fanamarihana manokana ny fandraisan’olona eny amin’ny biraom-panjakana, omaly, nandritra ny fananganan-tsaina. Mendrika fandraisana tsara mitovy avokoa ireo olona rehetra tonga manatona ireny biraom-panjakana ireny. Na avy aiza ny fiaviany na toy inona endrika ivelany, mitovy avokoa ny olona manan-draharaha eny amin’ny biraom-panjakana. Mendrika […]

Fahadiovan’ny tanàna: voarara ny mandrora, manipy fako eny an-dalambe

Fihetsika mila fehezina ny fandrorarorana sy fanisinan-delo na fandrehofana…. eny rehetra eny. Andoavana sazy ny fanipazana izany eny amin’ny lalam-bahoaka. Sady mandoto tanàna no tsy fahalalam-pomba. Efa fantatra fa voarara kanefa fahazaran-dratsy na iniana atao ny fanaovana maloto eny rehetra eny. Mampahafantatra ny fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ny […]