Notanterahina teny amin’ ny American Corner Antananarivo ny fampianarana manao fikarohana avo lenta amin’ny tambajotra internet, nataon’i Marcy Carrel, talem-paritry ny fifandraisana amin’ny daholobe, ao amin’ny masoivoho amerikanina. Nasehon’i Marcy Carrel an’ireo mpitantana ireo ny fomba fampiasana ny karazana antontanisa sy antontan-kevitra maimaim-poana, ao amin’ny eLibraryUSA. Ahitana asa fikarohana avo […]
Fiaraha-monina
Vokatry ny fisotroana toaka : 0,5% ny zaza voan’ny aretina eto Madagasikara
Ambony ny tahan’ny zaza marary eto Madagasikara raha oharina amin’ny maneran-tany. Vokatry ny fisotroan’ny reny mitondra vohoka sy mandritra ny fampinonoana, toaka izany. Misy fiantraikany amin’ny vatany sy ny atidohany ary ny toe-piainan’ny zaza izany, raha ny nambaran’ny mpitsabo. Zaza 1 hatramin’ny 3 amin’ ny arivo ny zazakely tratran’ny aretina […]
Tontolo iainana : namboly hazo ny Miary Aid
Nanatanteraka fambolen-kazo teny amin’ny fokontany Anjomakely, kaominina Bongatsara, ireo mpikambana eo anivon’ny Association Miary Aid. “Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny sata mifehy ny fikambananay ny fiahiana sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny lafiny fanabeazana ka antony hanaovana izao hetsika izao”, hoy izy ireo. Tsy vitan’izany anefa fa eo […]
Herisetra ara-nofo : ankizy 3 isan’andro no lasibatra
Mitombo hatrany ny trangana herisetra sy fanolanana mahazo ny ankizy eto Madagasikara na eo aza ny hetsika fanentanana isan-karazany hisorohana izany, raha ny nambaran’ny fikambanana TAO. Ankizy 3 isan’andro no lasibatr’izany manerana ny Nosy. Manampy izany ireo vehivavy tanora. Ankoatra izay, misedra olana maro samihafa izy ireo sy ny fianakaviany […]
Fikambanana SISAL : vitsy ny tahan’ny mpivarotena mitondra VIH/Sida
Vitsy ny tahan’ny mpivarotena mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto amin’ny Nosy, raha oharina amin’ireo olon-tsotra nanao fitiliana, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny SISAL (Sambatra Izay Salama). «Aretina azo avy amin’ ny firaisana ara-nofo no hita amin’ny ankamaroan’ny vehivavy mpivarotena», hoy ny filohan’ny filankevim-pintanana eo anivon’ny Sisal, Ranaivonirina Mariah. Maro […]