Fiaraha-monina

Vavolombelon’ny Jehovah: manomana fivoriambe mandritra ny hateloana

Manomana fivoriambe amin’ny toerana telo : Coliséum Antsonjombe, Ivato ary eny Ambatomirahavavy ny fiangonan’ny Vavolombelon’ny Jeho­vah eto Antananarivo mandritra ny hateloana: 2 ka hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao. Nanomboka ny volana jona lasa teo ny fanomanana ny toerana handraisana ny hetsika. Foto-kevitra hitondra ny fivoriana ny hoe: “Torio ny filazan-tsara” […]

ONG Water Aid: Nanokana vola 45 tapitrisa dolara nampivoarana ny rano

Manana anjara biriky amin’ny fampivoarana ny fisitrahana rano madio ny ONG Water Aid tao anatin’ny 25 taona niasany teto Madagasikara. Nitombo avo roa heny ny tahan’ny olona nisitraka rano madio.Nihatsara ny fampiasana ny fotodrafitrasam-pidiovana. 25 taona niasana teto Madagasikara ny ONG Water Aid ho fanohanana ny fahazoana rano madio sy […]

INDRAY MIJERY

Efa manomboka miranty eny amin’ny tsenan’ny mpaninjara ireo fitaovam-pianarana samihafa ho an’ny mpianatra hiatrehina ny taom-pianarana vaovao. Mbola ny kahie aloha no tena be mpividy izao satria ireo no marobe ny isan’ny ampiasaina any an-dakilasy, hoy ny mpivarotra. Tsy niova ny vidiny fa ireo tahiry tsy mbola lafo tamin’ny taon-dasa […]

Fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza: nampanantonina ny tanora ny fitiliana

Mitohy ny hetsika fanentanana momba ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono ary ny fananahana ara-pahasalamana karakarain’ny ONG Douleurs sans frotières (DSF), Fisa sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Misy ny fitiliana manokana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, anio, eny amin’ny CSB Ambohipo ary eny amin’ny Esplanade oniversiten’Antananarivo kosa ny alatsinainy sy talata […]

“Foara B to C” : hampihaona ny mpamo­katra sy ny mpanjifa

Ny fisian’ny mpanelanelana matetika no mampiaka-bidy ny entana sy ny vokatra rehefa tody eny amin’ny mpanjifa. Ao anatin’ny “Foara B to C”, hampihaona mivantana ny roa tonta ny hetsika fampirantiana sady varotra ihany koa, izay karakarain’ny NCom Agency. Efatra andro (28-31 aogositra) no handraisan’ny trano heva miisa 100 ny hetsika, […]