Fiaraha-monina

Tamin’ny fonja efatra nohadihadiana: 15% amin’ny vehivavy voafonja nanambara fa te ho faty

Mila karakaraina ny fahasalamana ara-tsain’ny vahoaka sy ny voafonja amin’ny ankapobeny ary ny Humanité £ inclusion no anisany misahana izany.Araka ny fanadihadiana natao ny 2000 ary navoaka ny taona 2003, nilaza ny 47% amin’ny olona nohadihadiana teto Antananarivo fa nisehoana fikorontanana ara-tsaina. Nanomboka niasa te­ny anivon’ny fonja malagasy ny Huma­nité […]

Tsenan’Anjoma sy ny Esplanade : nihaino ny feon’ny mpivarotra ny ben’ny Tanàna

Manohy ny fitetezana ny tsena eto Antananarivo ny ben’ny Tanàna, Andriantsi­to­haina Naina, miaraka amin’ ny ekipany. Teny amin’ny tse­nan’Anjoma sy ny Espla­nade indray ny tenany omaly. Mihaino ny feon’ny mpi­varotra izy ary mitondra ny vahaolana izay azo tanterahina avy hatrany. Tetsy amin’ny tsenan’ An­joma, nangataka ireo mpivarotra amin’ny fanatsarana ny […]

CUA – Tetikasa Sandratra : raisina an-tanana ireo vehivavy marefo…

Mifarimbona amin’ny fanohanana ireo vehivavy marefo ny orinasa maromaro miaraka amin’ny CUA amin’ny alalan’ny tetikasa Sandratra. Tanterahina ao amin’ny boriborintany I, III ary IV ny tetikasa Sandra­tra izay handraisana an-tanana manokana ireo vehivavy marefo, tokantena ary niala an-daharana tamin’ny fianarana. Fiaraha-miasan’ny kao­minina Antananarivo Reni­vo­hitra sy ny Aide et Action ary […]

Fampitaovana ny mpamonjy voina : miara-miasa ny CUA sy ny Frantsay

Nahazo fitaovana vaovao hanampy ireo efa ananany hoentina miatrika ny famonoana afo ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Fiaraha-miasa amin’ny fitantanana frantsay (SDIS 87 service Départemental d’incendie et de secours Haute Vienne) no nahafahana nisitraka ny fanamiana vaovao. Akanjo 617, pataloha 445, 14 kosa ny «parkas» ary akanjo fanao anaty […]