Hiverina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika afaka hateloana indray ilay rivodoza Freddy. Mangatsiaka ny maripanan’ny ranomasina ao ka heverina fa tsy hitombo hery izy, hoy ny teknisianina ao amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Arahi-maso ihany ny fivoarany sy ny mety ho fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto amintsika. Ny […]
Fiaraha-monina
Akademia Miaramila : manao fizaham-pahasalamana ireo mpifaninana
Niatrika ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho manamboninahitra amin’ny andiany mivantana faha-46 sy andiany manokana faha-26 ireo afaka tamin’ny dingana voalohany, ny 6 ka hatramin’ ny 10 marsa lasa teo. Nidina any amin’ny Akademia miaramila (Acmil) Antsirabe ny talen’ny fitantanana ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) […]
Tsena Tsimialonjafy : hokarakaraina ny taratasin’ireo mpivarotra hampamarin-toerana azy
Omaly, nidina teny Ampasapito, nitsidika ny tsena tsimialonjafy indray ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina sy ireo mpiara-miasa aminy. Nihaino mivantana ny hetahetan’ireo mpivarotra ny tenany ary nankahery azy ireo amin’ny fiatrehana ny fiainana. Novalian’ny ben’ny Tanàna avy hatrany ny fanirian’ireo mpivarotra eny an-toerana. Nambarany fa ho laharam-pahamehana ny fikarakarana ny […]
Ady amin’ny fiparitahan’ny tsaho : nitady paikady ireo vondron’olona to teny
Notanterahina tetsy amin’ ny Le Hintsy Ambohimanambola, omaly, ny loabary an-dasy mikasika ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny vaovao diso sy ny tsaho nandritra ny valanaretina Covid-19. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Rooted in Trust”, izay volavolain’ny Ilontsera sy ny In-ternews ny hetsika. Omaly, novoriana ireo toko telo mahamasa-nahandro: mpanao gazety sy […]
Oniversiten’Antananarivo : efa tomombana ny famatsiana herinaratra
Nanao fanambarana ny sampandraharaha misahana ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe eo anivon’ny fiadidiana ny oniversite fa efa tomombana avokoa ny fotodrafitrasa eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo taorian’ny fanavaozana samihafa natao. Mandeha tsara avokoa ny famatsiana herinaratra, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Jirama eny amin’ireo toeram-pampianarana Cathédrale, ny kianja mitafo… Mijery […]