Notokanana, omaly, ny toerana fanaovana karazana fanatanjahantena eny amin’ny kaominina Ambohimanga, nohavaozin’ny Fondation Axian. Fotodrafitrasa hahafahan’ireo tanora mivelatra amin’ny sehatry ny fanatanjahantena izay fefy iray tsy hironan’izy ireo amin-javatra mamohehitra. Betsaka rahateo ny tanora mankafy fanatanjahantena ao an-toerana ka hanampy azy ireo ny fahavitan’ny fotodrafitrasa. Mirefy 288 m2 ny toerana […]
Fiaraha-monina
Cisco Mahabo : nomena tohana ireo mpianatra sangany
Notolorana fitaovam-pianarana sy tohana ara-bola ireo mpianatra sangany tamin’ny fanadinana CEPE sy BEPC farany teo tany amin’ny faritra Menabe, ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Mahabo. Natao ny hetsika mba ho fankasitrahana feno tamin’ny ezaka nataon’izy ireo nandritra ny fotoam-panalana fanadinana. Hampirisihina ihany koa ireo ankizy hanala ny fanadinana amin’ity taom-pianarana vaovao ity […]
ANTANANARIVO RENIVOHITRA: laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fitaterana
Iankinan’ny fiainan’ny mponin’Antananarivo ny fitaterana sy ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe. Mafy ny fitohanana, miteraka fahatarana ho an’ny mpianatra sy ho an’ny mpiasa. Mijery vahaolana ireo tomponandraikitra. Nihaona ary nidinika momba ny fanatsarana tsy maintsy hatao amin’ny fitaterana eto Antananarivo ny PDS Ramanantsoa Harilala sy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana […]
Tafika an-dranomasina: hatsangana ny seranan-tsambo miaramila ao Melaky
Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanitsian-drafitra sy ny fanaovana ny Tafika ho maoderina ny fananganana fotodrafitrasa maro. Tanjona ny hahafahana mampandroso sy mampivelatra haingana ny asa. Tao anatin’ny roa andro (10 sy 11 septambra 2024) nanao fidinana ifotony any Maintirano ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina, ny Amiraly Tsiriniaina Gabriel, miaraka amin’ireo […]
Vao nivoaka ny fonja : nangalatra panneau solaire indray ilay jiolahy
Tratra teo am-pibatana ny panneau solaire avy nangalariny indray ny jiolahy iray mpamerin-keloka teny Ankadindratombo, afakomaly. Vao nivoaka ny fonja izy kanjo niverina nanohy ny asa ratsiny indray… Tsy mety fay sa maivana loatra ny sazy ? Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Alasora, afakomaly, indray ny jiolahy iray […]





