Fiaraha-monina

BNGRC: traboina 52.985 nisitraka ny fanampiana

Miantsehatra mivantana eny ifotony ny BNGRC amin’ny fanatanterahana ny famonjena ireo traboina. Fianakaviana 10.597 no nisitraka ny fanampiana nandritra ny rivodoza Freddy teo. Nandritra ny telo volana nanjakazakan’ilay ri­vodoza Freddy tamin’ ireo distrika maromaro teto Madagasikara, analiny ireo traboina vokatry ny fiakaran’ ny rano. Nanatanteraka ny asany ny BNGRC amin’ny […]

Hanatsarana ny fiainan’ny mpianatra : nametraka fomba fiasa vaovao ny Oniversite

Niara-nitafa ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikambanana pedagojika eny amin’ny oniversiten’Antana­narivo, ny faran’ny herinandro teo, teny Fiadanana. Naverina ny fampahafantarana ny lalan-jotra momba ny vatsim-pianarana sy ny laminasa amin’ny fanarenana sy fanorenana fotodrafitrasa. Noresahana ihany koa ny dingana efa hirosoana amin’ny famahana ny olan’ny jiro amin’ireo toeram-pianarana […]

Andro afrikanina ho an’ny skoto : any Kenya i Amboara Rabe-Harinoro

Misolotena an’i Madaga­sikara mandritra ny fankalazana ny Andro afrikanina ho an’ny skotisma 2023, any Kenya, i Amboara Rabe-Harinoro. Nomarihina, oma­ly, izany tany an-toerana. Ani­san’ny mpandray anjara amin’ ny “Scout Go Solar” any an-toerana amin’izao fotoana izao koa ny tenany. Vahaolana vaovao ho an’ ny hoavy maharitra no lohahevitra voizina amin’ity […]

Fandaharanasa Yali RLC : tanora mpitarika malagasy 10 voafantina

Misitraka ny fandaharanasa “Yali RLC” ny tanora malagasy 10 mianadahy ary efa mikatroka fiofanana any Pretoria, hatry ny omaly. Fanandratana ny tanora aty Afrika ity fandaharanasa ity. Nihaona teny amin’ny American Corner An­tananarivo, ny herinandro teo, ireo tanora malagasy 10 mianadahy, voafantina amin’ny andiany faha-20 amin’ny programa “Yali Re­gional leadership […]

“Magnafana 2023”: nanao hetsika fizaham-pahasalamana any Atsimo ny “Bataillon médical”

Ao anatin’ny vinan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa ny hanamafisana ny hetsika ara-tsosialy eny anivon’ny vahoaka, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny rivodoza izao. Manoloana izany, na­natanteraka hetsika fizaham-pahasalamana antsoina hoe “Magna­fana 2023” any amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy, faritra isan’ireo voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy ireo miaramila avy ao […]