Fiaraha-monina

Tsy fanjarian-tsakafon’ny reny: mila ampitomboina ny sakafo notovonantsoa

“Niakatra ho 25% ny tahan’ ny tsy fanjarian-tsakafo ma­hazo ny reny amin’ny firenena misedra krizy ka miteraka olana ara-pahasalamana ho an’ilay reny sy ny zaza vao teraka izany”, hoy ny fanazavan’ny Unicef, taorian’ny fa­nadihadiana nataony. Ilaina, noho izany, ny fametrahana fandaharanasa hanohanana ny tovovavy sy ny vehivavy ara-tsakafo satria manomboka […]

Tsinjo fahasalamana an-tsekoly: mpitsabo mpanampy 20 nahavita fiofanana

Nahatratra 735 ireo mpi­tsabo mpanampy liana tamin’ ny firotsahana an-tsehatra hiandraikitra ny fikarakarana ny fahasalaman’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly ka tonga nanatitra antontan-taratasy. 20 tamin’izy ireo no voafan­tina ary nanaraka fiofanana manokana hahafahana mandray an-tanana mivantana ireo ankizy tratran’ny tsy fahasalamana tampoka any an-tsekoly. Noraisin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena izy ireo […]

Cua – Fiofanana : mpivarotra hani-masaka 40 nahazo mari-pankasitrahana

Notolorana mari-pankasitrahana teny amin’ny INTH Ampe­filoha ireo mpivarotra hani-masaka 40 eto Antana­narivo, omaly. Nisitraka izany ny ao amin’ny Tsenan’ny Zai­maika, Soamanan­tombo ary Mahamasina. Nampiofanina momba ny fikirakirana sy fandrahoana sakafo izy ireo. Eo koa ny vonjy taitra ary ny fiso­rohana amin’ny trangana firehetana. Tanjona ny hampiakarana ny lentan’ireo mpahandro sakafo […]

Minisiteran’ny Mponina: mariky ny mangarahara ny fanaovana fanambaram- pananana

Tonga teny amin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco) Ambohibao, omaly, ireo olom-boatendry manatanteraka ny asam-panjakana ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy. Anisan’ny andraikitra mila ataon’ireo olom-boatendry mitana andraikitra ambony ny fanambaram-pananana mba hisian’ny mangarahara amin’ ny asam-panjakana. Nanao izany fanambaram-pananana izany, […]