Fiaraha-monina

Fanaraha-maso eny amin’ny lalam-pirenena : nodinihina ny didim-pitondrana mahakasika ny vesatry ny entana

Antony manimba haingana ny lalam-pirenena ny tsy fanajana ny vesatry ny fiara mpitatitra entana mivezivezy. Novolavolaina, araka izany, ny didim-pitondrana mifehy ny fanaraha-maso izany. Nodinihina ny herinandro teo ny volavolana di­dim-pitondrana vaovao hifampifehezana sy ny famaritana ny andraikitry ny tsirairay manoloana ny fanaraha-maso ny vesatry ny entana mivezivezy eny amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Manampy ny olona manan-draharaha sy mitondra marary ao aminy hamantatra ny Sampandraharaha rehetra ao ny hopitaly CHU HJRA. Nanazava ny pejiny fa mifantoka kokoa amin’ny fitsaboana ny aretina mila fandidiana ao amin’izy ireo izany. Efa misoratra mazava rahateo ireo karazana sampandraharaha isaky ny rihana sy ny efitra misy izany. Manomboka […]

Fisarihana nataon’ny Yoplait : Raim-pianakaviana lasa any Maorisy tampoka

Efa mpilalao amina karazana fisarihana Rafalimanana Haja Fetra, saingy tsy mbola nitsikian’ny vintana mihitsy hatramin’izay. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, tsy nampoiziny fa izy no tsara vintana voasarika tamin’ny lalao nataon’ny Yoplait ka nahazo ny fivahinianana any amin’ny Nosy Maorisy. “Tampoka tamiko ny fahazoako ny loka ka faly sahirana aho”, […]

Unicef; “Afapo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy”

Noraisin’ny filohan’ny Repoblika teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, omaly, ny delegasiona avy amin’ny Filankevi-pitantanan’ny Unicef, notronin’ny solontena maharitry ny Firenena mikambana miasa eto amintsika. Mahafa-po ny Unicef ny fiaraha-miasany amin’ny fanjakana malagasy eo amin’ny sehatra maro: fahasalamana, fanabeazana ary ny fiarovana ny zaza amin’ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Marefo ny ankizy manoloana ireo, […]