Manatsara ny tsangambato fahatsiarovana ireo malagasy niady tamin’ireo ady lehibe roa eny amin’ny farihin’Anosy ny Ofisy nasionalin’ny mpiady tranainy (ONMAC), tarihin’ny Jly Raharijaona Faly Michel. Fiaraha-miasa amin’ny sampandraharahan’ny fiarovana eo anivon’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara izany. Ao anatin’izay fiaraha-miasa izay koa ny fanomezana fiahiana ireo mpiady tranainy fony mbola fahavelony […]
Fiaraha-monina
8 marsa: mahaleo tena ny vehivavy mpandraharaha
Nihaona teny Ambohitsoa ireo vehivavy mpandraharaha ao anatin’ny fikambanana A-FAM (femmes autoentrepreneures à Madagascar), omaly. « Mahaleo tena ny vehivavy mpandraharaha sy mahay mamaha olana ary manatsara ny lesoka nisy teo amin’ny fiainany sy eo anivon’ny asa fandraharahany”, hoy ny filoha mpitantana ny Chic et Curly, Karmen. Nilaza izy fa matahotra […]
Asa vonjy voina ao Marovoay : hanohanana ireo traboina taorian’ny rivodoza Cheneso
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso, tokantrano maherin’ny 4 200 no traboina tao amin’ny distrikan’i Marovoay. Rehefa nanome toromarika ny BNGRC, natomboky ny Fonds d’intervention pour le développement (FID) ny «Asa vonjy voina». Hanampiana ny mponina any an-toerana hiarina haingana ary hiverina amin’ny fiainana andavanandro no tanjona. Teo ny asa fanarenana sy […]
vatsim-pianarana : misokatra ny fangatahana
Misokatra ny vatsim-pianarana avy amin’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny siansa sy ny kolontsaina, Unesco, ho an’ity taona ity. Natokana ho an’ny tanora siantifika, anatin’ny fandaharanasa miompana amin’ny olombelona sy ny tontolony izy io na ny vatsim-pianarana MAB. Tanjona amin’io vatsim-pianarana io ny fampirisihana ny tanora siantifika, indrindra ireo tanora […]
Rajoelina Mialy: “Manana fahaiza-manao ahafahany mizaka tena ny vehivavy…”
“Ankizivavy mianatra, vehivavy mizaka tena antoky ny fampandrosoana lovain-jafy” no lohahevitra nanamarihana ny Andro ho an’ny zon’ny vehivavy, teto amintsika. «Manana fahaiza-manao ahafahany mizaka tena ny vehivavy fa mila tohana sy fanohanana hampisehoany izany», hoy ny vadin’ ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, omaly, teny Mahamasina. Tao anatin’ny lahateniny, nanamarihana ny […]