Fiaraha-monina

Fiarovana ny ankizy: nivory ireo komitim-pirenena

Nikaondoha ireo komitim-pirenena ho an’ny fiarovana ny zon’ny ankizy tamin’ity herinandro ity. Nanokatra izany ny mpitahiry ny tombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsa­rana sady minisitry ny Mpo­nina sy ny firaisankina mpisolo toerana, Randriamanante­nasoa Landy Mbolatiana. Hiandraikitra manokana ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo paikady napetraka mahakasika ny fandaharanasa ho fiarovana ny zon’ny ankizy […]

Fampiasana ny teknolojia: mirongatra sy miha tanora ny areti-maso eto Madagasikara

Mirongatra ny areti-maso, toy ny Glocome, manerana ny Nosy. Sady mahajamba no tsy ahitam-panafana izy io. Miha tanora hatrany ny marary noho ny fampiasana ny teknolojia be loatra. Efa marary maso sy manao solomaso sahady ny zaza iray manom­boka eo amin’ny fahafito taonany, fara fahakeliny. Antony mampirongatra izany ny fampiasana […]

Vangaindrano: zazavavikely varira notapahin-doha

Velon-taraina ny fikambanan’ny olona manana toetena varira eto Madagasikara fa mbola mitohy ny sompatra ataon’ireo mpamono olona amin’izy ireo. Tany vangaindrano, tamin’ity herinandro ity, zazavavikely varira vao 10 taona no novonoin’ny jiolahy tany Bevato Tsahalana, distrika Vangaindrano. Notapahina ny tendany ary nentin’ireo mpamono olona any ny lohany. Tetsy andaniny, naratra […]

Distrika Ambohidratrimo: niara-nientana nankalaza ny fetim-pirenena

Tontosa antsakany sy an­davany ny fankalazana ny fetin’ny asaramanitra 2024, teto amin’ny Nosy. Anisan’ny na­havita izany ny tetsy amin’ny disitrika Ambohidratrimo. Niara-nientana sy niara-paly ny rehetra nandritra ny hetsika maro teny an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny tanjona napetraky ny filohan’ny Re­pob­lika, Rajoelina Andry. “Mala­gasy miara-mandroso, Mala­gasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”, io ny […]

Cisco Antananarivo Renivohitra: miisa 24 667 ny mpiadina BEPC amin’ity taona ity

Haharitra hefarana ny fanadinam-panjakana BEPC, izay hosantarina amin’ny alatsinainy ho avy izao. Manome torohevitra amin’ny fomba fiatrehana amim-pilaminana ny fanadinana ny mpampianatra satria efa vita tanteraka ny famerenana ho an’ny taranja rehetra. Hanomboka amin’ny ala­tsinainy ho avy izao ny fiatrehana ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy. Manamasaka ny toromarika madinidinika […]