Fizarana fanampiana ho an’ireo renim-pianakaviana sahirana tao amin’ny kaominina Ivato no nanamarihan’ny fikambanana Destiny ny Andron’ny vehivavy, omaly. Fikambanana tarihin-dRamatoa Randrianarisoa Hoby, vadin’ ny ben’ny Tanàna miantsehatra amin’ny asa sosialy sy ny fitsimbinana ny sahirana. Hisitraka asa ihany koa ireo vehivavy anjatony vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpanohana hatrany. Fiaraha-miasa […]
Fiaraha-monina
Fikambanana FAM : omena sehatra ny vehivavy mpandraharaha
Ahitana fampirantina sy fifampizarana ho an’ny vehivavy mpandraharaha etsy amin’ny immeuble UPNNC Ambohitsoa, anio. Karakarain’ny fikambanana FAM (Femmes auto entrepreneures à Madagascar). Nampitondraina ny lohahevitra hoe : «cocktail de réseautage». Fotoana iray hifanakalozana traikefa sy hifanampiana ary hifanohanana eo amin’ireo vehivavy mpikambana sy ny vahiny nasaina izy io. Tanjona ny […]
Tatitra BNGRC : valo ireo olona matin’ny rivodoza Freddy
Mahatratra 8 ireo olona maty nandritra ny fiverenan’ny rivodoza Freddy teto amin’ ny Nosy, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny Birao nasionaly momba ny fitantanana ny loza (BNGRC), omaly. Nahitana olona iray maty tao Bekily, 2 avy ao Ampanihy Andrefana, 3 avy ao Morombe ary 2 hafa tao Toliara […]
Miralenta – Anjara andraikitra: hialana ny hevi-draikitra napetraky ny fiarahamonina
Niofana mikasika ny lohahevitra mifototra amin’ny tsy fanavakavahana eo amin’ny maha lahy sy maha vavy ireo mpanao gazety omaly. Tanjona ny hialana amin’ny hevi-draikitra rehetra napetraky ny fiarahamonina. Tontosa omaly, tetsy Antaninarenina, ny fampiofanana ireo mpanao gazety mikasika ny miralenta sy ny herisetra eo amin’ny maha lahy na maha vavy. […]
Rivodoza FrEddy : mbola mitondra rotsakorana be
Omaly maraina, tany amin’ ny 169 km andrefan’i Toliara no nisy ny foiben’i Freddy. 110 km isan’ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 155 km isan’ora. Any an-dranomasina sy ny morontsiraky ny distrikan’i Toliara sy Betioky Atsimo no voakasik’ireo rivotra ireo mivantana. Mikisaka mianavaratra andrefana izy ka mahafaka 10 km isan’ora. […]