Fiaraha-monina

Rafanomezantsoa Jean Nirina: “Matoa mpandresy dia misy ady natrehana…”

“Miarahaba ny ekipam-pirenena Barea-n’i Madaga­si­­kara aho nahavita dingana goavana. Misy antony maro nahatonga izao fahombiazana izao fa amin’ny fanatanjahantena dia ilaina ny firaisankina sy ny fiombonam-po”, hoy ny filohan’ny Hafari Ma­la­gasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina niarahaba ny Barea-n’i Madagasikara ma­noloana ny zava-bitan’izy ireo ka nahazoana ny laharana fahatelo aty Afrika. Nam­barany fa […]

Famatsiana fanafody: nahavita sidina 2.500 ireo drones

Anisan’ny manampy betsaka amin’ny famatsiana fanafody any amin’ireo toerana saro-dalana ny fampiasana drone. Hatramin’ny taona 2020, nahavita sidina 2.500 ireo drones amin’ny faritra efatra hampiasana izany. CSB miisa 88 no vatsiana fanafody amin’ny alalan’ireo drone. Ankoatra izany ny tobim-panafody madinika any anaty kaominina miisa 69 tena alavitra sy miampita rano […]

Tanora malagasy : mitondra fiovana sy vina vaovao

Nikarakara hetsika fampiofanana ho an’ny skoto ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena afak’omaly. Fampiofanana mikasika ny fahaizana miatrika fiainana na « lifeskills ». Notontosaina te­tsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina Mahamasina izany. Fanabeazana hahay hamboly kolontsaina sy vina vaovao anatin’ny tanora malagasy ny tanjon’ny hetsika. Tanora avokoa ny 65 % amin’ny mponina eto Ma­da­gasikara. […]

Fandaharanasa Fanarenana: nidina nanara-maso teny am-ponja ny masoivoho frantsay

Nanara-maso ny fizotran’ny fandaharanasa Fanarenana ny masoivoho frantsay sy ireo fikambanana miahy ny maha olona. Nidina teny amin’ny fonjan’Antanimora izy ireo. Notanterahana ny herinandro teo ny atrikasa andiany voalohany nandinihana ny tontolon’ny fonja eto Madagasikara. Nojerena niaraka tamin’izay ny fampivoarana ny fepetra fitanana sy fiahiana ny maha olona ao am-ponja, […]

In.S.P.N.Mad : mahasarika ny mpianatra ny « transit et douanes »

Tamin’ny taona 2010 no niforona ny lalam-piofanana « transit et douanes » teo anivon’ny In.S.P.N.Mad (Institut Su­périeur Polytechnique des No­vateurs de Madagascar). Etsy Ambaranjana Antanana­rivo no nanombohany, izay ankizy efa hatramin’ny 1500 no navoakany. Nambaran’ny Tale Jenera­lin’ny In.S.P.N. Mad, Randria­na­rivelo Dieu­donné, fa miroborobo ity lalam-piofanana ity ao aminy, satria dia […]