Anisan’ny asa iray be mpanao ny fikapohana vato eto Madagasikara. Tsy mifidy taona sy sokajin’olona ny fanaovana izany fa hita ao avokoa ny olon-drehetra, na lahy na vavy. Anisany manao izany, eto Antananarivo, ny renim-pianakaviana iray antsoina hoe Rasoavololona Fanja Claire. Nanomboka nikapo-bato teo amin’ny faha-10 taonany Rasoavololona Fanja Claire. […]
Fiaraha-monina
fiatrehana ny voina : vita ny Drafitrasa nasionaly Pongu
Narafitra ho laminasa voarakitra an-tsoratra ny asa rehetra ao anatin’ny hamehana mandritra ny fiatrehana ny loza (tondradrano, rivodoza…). “Tafiditra ao amin’ny politikam-pirenena momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izany”, hoy ny tale jeneralin’ny Birao nasionaly momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), Andriakaja Elack Olivier, omaly, […]
Fandaharanasa USAID Access : nifarana ny tetikasa amin’ ny anivon-tany
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharanasa ara-pahasalamana Accessible Continun of Care and Essential Services (Access), izay vatsian’ny USAID vola ary tanterahin’ny MSH. Anisan’ny ifantohan’ny tetikasa ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza ka tafiditra amin’izany ny fanentanana amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Natao tany Fianarantsoa ny hetsika famaranana ho an’ny […]
INDRAY MIJERY
100 tapitrisa dolara isan-taona ny fahavoazana ateraky ny rivodoza sy ny loza voajanahary eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe ao amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tsapa ny ezaka ataon’i Madagasikara tao anatin’ny 10 taona, vokatry ny fananana politika nasionaly hitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Nijanona ho antonony, […]
Fihaonana iraisam-pirenena : nifampizara traikefa ireo mpamonjy aina
Nifarana omaly ny fihaonana iraisam-pirenena momba ny mpitsabo, miandraikitra ny vonjy taitra, eto anivon’ny ranomasimbe Indianina (JFMUOI), andiany faha-12. Fihaonana nandritra ny roa andro, notanterahina tetsy amin’ny Motel Anosy. Hetsika nokarakarain’ny Association des médecins urgentistes de Madagascar (Amum). Nandray anjara, nandritra izany, ny mpitsabo miandraikitra ny vonjy taitra rehetra manerana […]




