Tonga nitsidika teny anivon’ny boriborintany fahadimy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Andriantsitohaina Naina, omaly. Nijery ny zava-misy sy ny olan’ny mponina teny an-toerana izy nandritra izany. Nandritra ny fidinana ifotony, nilaza ny ben’ny Tanàna fa hiroso amin’ny asa izay laharam-pahamehana ho an’ny mponina izy. Fotoana amahany ireo olana rehetra mahazo ny […]
Fiaraha-monina
Homamiadana : 66% ireo vehivavy marary
Mahatratra 2 alina ny tahan’ny olona voan’ny homamiadana, raha ny tatitra voaray tamin’ny taona 2020. Anisan’ny mahafaty olona betsaka indrindra maneran-tany ny homamiadana. Aretina anisan’ny mampatahotra ny olona ihany koa izy io. “Ny homamiadan’ny nono sy vozon’ny tranonjaza ny tena maro anisa eto amintsika. Mahatratra 66% ireo vehivavy mararin’izany eto […]
Boroborintany I, III, IV: mijoro ny fikambanan’ny reny mananotena
Mijoro amin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly ny fikambanana ivondronan’ireo reny tokan-tena eo anivon’ny boriborintany telo eto Antananarivo Renivohitra (Boriborintany voalohany, fahatelo ary fahefatra). Misy ny tetikasa Sandratra iarahan’izy ireo manatanteraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny ONG Aide et Action. Tanjon’ny tetikasa ny hisian’ny tohana ara-tsosialy sy arak’asa ho an’ireo […]
Toetry ny andro: tsy ahina ny fiforonana andro ratsy
Mbola mangatsiaka ny atmosfera eto afovoan-tany ao anatin’ny hateloana ary vinavinaina hisitraka rotsakorana hatrany ny tapany hariva mandritra ny telo andro manaraka, hoy ny sampana famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hahazo orana ny tapany andrefan’ny Nosy raha hiatoato kosa izany ho an’ny ilany atsinanana. Mbola manorana ny tapany atsimo […]
Tsenabe Isotry : “Hojerena ny hetahetan’ireo mpivarotra”, hoy ny ben’ny Tanàna
«Ezahina hojerena manokana ny hetahetan’ny mpivarotra, toy ny resaka jiro sy ny fotodrafitrasa maro samihafa ary ny fitaovam-pidiovana», hoy ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra (CUA), Andriantsitohaina Naina, omaly, nandritra ny fitsidihana ny tsenaben’Isotry. Natao hijerena ny fandrosoan’ny asa amin’ny ankapobeny ity hetsika ataon’ny ben’ny Tanàna sy ny CUA ity. Notsidihana […]