Vehivavy mahaleo tena sy antoky ny fampandrosoana no tanjon’ny fampiofanana tanterahina eny Iavoloha. Mahay mahandro karazan-tsakafo izy ireo manomboka eto ary hanokatra ny tsenany manokana rehefa nahazo fiofanana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana sahady ny andron’ny vehivavy ny hetsika ara-piofanana andraisan’ireo andriambavilanitra anjara amin’ny foibem-piofanana maro eto Atananarivo. Ny faran’ny herinandro […]
Fiaraha-monina
Rivodoza Freddy : mitondra orambe any atsimo
Miadam-pikisaka ilay rivodoza Freddy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika. Any amin’ny 195 km andrefana somary avaratra andrefan’i Toliara no nisy ny foibeny. 13 km isan’ora ny hafainganam-pandehany ary manangona hery tsikelikely ao an-dranomasina izy. Sokajiana ho “tempete tropical moderé” i Freddy hatry ny omaly. Manodidina ny 80km isan’ ora ny rivotra […]
Fahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina : vita ny tahirin-kevitra torolalana hampiasain’ny AC
Fitaovana iray manatsara ny fahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina ny fisian’ny mpanentana ara-pahasalamana (AC). Tsy mbola azo heverina anefa ny hanome karama azy ireny fa tohana no nozaraina hatramin’izay, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nanomboka namatsy vola ny fanatanterahana ny fahasalamana eny ifotony i Madagasikara, ny taona 2009, niaraka tamin’ ny […]
Andron’ny vehivavy: niara-nivavaka ireo vadin’ny mpitandro filaminana
Nangata-pitahiana sy niara-nivavaka ireo vadin’ny mpitandro ny filaminana, omaly. Nohamafisin’izy ireo nandritra izany ny tokony hanabeazana ny ankizivavy malagasy. Mba ho antoky ny fampandrosoana lovain-jafy. Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana. Mba ahatsiarovana sy angataham-pitahiana ho an’ny vehivavy sy ny firenena. Nanatrika izany ny vadin’ny filoham-pirenena, […]
Farafangana : fianakaviana marefo 506 nisitraka tohana sakafo
Noho ny fiaraha-miasa eo amin’ ny depioten’ i Farafangana, Raheriarijaona Regina Clarisse sy ny Ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo (ORN) ary ny minisiteran’ ny Mponina, nisitraka “rations de protéction” ny fianakaviana marefo avy amin’ ny tokantrano 506. Ahitana zaza latsaky ny 5 taona sy vehivavy bevohoka ary vehivavy mampinono samy tsy […]