Nanao fanambarana ny mpiasan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara, fa miditra amin’ny fitokonana ny mpiasa ka ny asa fampandehanan-draharaha na asa farafahakeliny ihany no tanterahina nanomboka ny alakamisy lasa teo. Tapitra ny 72 ora napetrak’izy ireo tamin’ny fivoriambe natao ny 23 aogositra teo. Tonga teny an-toerana ny […]
Fiaraha-monina
Fiatrehana rivodoza – MAROANTSETRA: Novolavolaina ny paikady
Araka ny voafaritra ao anatin’ireo voka-panadihadiana nataon’ny mpikaroka sy ny manampahaizana manokana, anisan’ireo distrika voasokajy ho tena marefo manoloana ny mety ho fitrangan’ny loza entin’ny rivodoza sy ny tondradrano i Maroantsetra. Noho izany, noheverina fa tokony hojerena manokana ny fanamafisana ny fahafaha-miatriky ny mpiantsehatra rehetra any an-toerana, hampiakarana ny traikefan’ny […]
Fampianarana ambony : Ampiana ny Oniversitem-paritra
Nandray voalohany ireo vondrona sy fikambanana mpisehatra amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Chaminah Loulla, tamin’ity herinandro ity. Nandritra ny dinika tamin’ireo solontena avy amin’ny Colléctif des professeurs des universités » notarihin’ny Pr Rakotomanana Hajanirina, voaresaka ny fanatsarana […]
Nihena ny fanjifana boky : Sakana ny fotoana sy ny vola ary ny fandrosoan’ny teknolojia
Nihena ny fanjifana boky eto Madagasikara raha oharina amin’ny any ivelany, amin’izao fotoana izao. Anisan’ny mitaiza ny saina sy mampivoatra anefa ny fahazarana mamaky azy ireny. Nihena be ny fanjifana boky amin’izao fotoana izao eto Madagasikara, raha ny fanadihadiana natao. Tamin’ny fotoanan’ny fihibohana nandritra ny fisian’ny valanaretina covid-19 teto Madagasikara […]
INDRAY MIJERY
Ho fanatsarana ny fanaraha-maso ireo valanaretina, nisy ny fiofanana ho an’ireo “épidémiologiste de térrain” hiantsehatra ifotony mandritra ny fotoanan’izany. Andiany fahefatra ny fampiofanana. Tanjona ny hampitombo ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny vanim-potoan’ny valanaretina isaky ny distrika. Hivoaka afaka telo volana ireo mpiofana ireo ary hisehatra eny amin’ny distrika misy azy avy […]





