Fiaraha-monina

Mafana ny andro: tomefy olona ny dobo filomanosana

Migaina ny andro tao anatin’ny roa herinandro izao. Fotoana fisokafan’ny dobo filomanosana rahateo ka manararaotra milomano ny olona rehefa faran’ny herinandro. Ho an’ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, feno ireo toeram-pilomanosana ary tomefy olona mihoapampana aza izany amin’ny ireo toerana sasany. Mandray ny fepetra rehetra amin’ny fiahiana ireo olona tonga […]

Olona voan’ny androbe: afaka miasa rehefa manaraka fitsaboana

Manao vaindohan-draharaha ny ady atao amin’ny aretina androbe ary manana paikady enti-miasa ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny olona voan’izany aretina izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nametraka iray volana hiadiana amin’ny androbe ny minisi­tera izay nanomboka ny 13 febroary teo , daty anamarihana ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny aretina androbe. Misy koa […]

Any Frantsa : azon’ny tanora alaina eny amin’ny farmasia ny fimailo

Nanomboka ny fiando­han’ny taona teo, afaka maka fimailo maimaimpoana eny amin’ny farmasia ny tanora latsaky ny 26 taona any Frantsa. Paikady noraisin’ny fanjakana frantsay hampidinana ny tahan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST) tsy voaaro izany. «Nahatratra 2 tapitrisa sahady ny fitaovam-piarovana nozaraina», hoy ny minisitry ny Fahasalamana, François […]