Natomboka ny faran’ny herinandro teo ny tetikasa andrana ho fanatsarana ny fakana sy ny fitanterana ny fako, ao amin’ny fokontany Ampefiloha. Tafiditra amin’ny tetikasa fanatsarana ny rafi-pitantanana ny fako eto Antananarivo (Gesda) nizany, izay fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana japonais. Ny volana febroary 2023 no niandoha ny […]
Fiaraha-monina
Ambovombe Androy: vita ny foibem-paritra fandrindrana ny asa vonjimaika
Misy fiantraikany mandritra ny taona maro amin’ny mponina any Atsimo ny krizy vokatry ny haintany noho ny fiovan’ny toetr’andro. Hanakaiky vahoaka hitondra vahaolana maharitra ny fametrahana ny CRCou ao Ambovombe. Vita ny fananganana ny ivontoeram-paritra fandrindrana ny asa ho famaliana ny hamehana (CRCou) any Ambovombe Androy, ny herinandro lasa teo. […]
Lalaon-tsaina an-gazety: natao hitazomana ny fitadidiana sy ny fiasan’ny atidoha
Mihamivoatra hatrany ny lalaon-tsaina samihafa maneran-tany sy eto Madagasikara. Mampiala voly sy manatsara ny fiasan’ny saina ny tena antony mahasarika ny maro manao azy ireny, toy ny mots croisés. Maro mpisafidy sy be mpanao ny karazana lalaon-tsaina hita anaty gazety sy gazety boky isan-karazany maneran-tany. Anisan’ny ahitana mpankafy maro ihany […]
Fanaovana yoga: azo hifehezana ny rarintsaina
Azo hifehezana ny rarintsaina (stress) ny fanaovana yoga. Fomba efa manomboka mahazo vahana eto amintsika. Fomba fanao indianina ny yoga izay anisan’ny fitsaboana vatana no sady fanatanjahantena koa. Mampiasa ny fahaiza-miaina (respiration) sy ny fahafahana manetsika vatana (souplesse). Manampy amin’ny fifantohana ny yoga ary azon’ny olona rehetra atao manomboka amin’ny […]
BEN’NY TANANAN’Imerintsiatosika: nanasongadina ireo seha-pampandrosoana
Hetsika maro sosona no hita teny amin’ny kaominina Imerintsiatosika, omaly, izay notarihin’ny ben’ny Tanàna Andriambolanarivo Parisoa. Nisongadina, tamin’izany, ny fizarana karatany faobe natao tamin’ireo fokontany 9, anisan’ny mandrafitra ny kaominina. Fanamorana ny fisitrahana ara-dalàna ny tanin’ny tantsaha ny karatany. Efa maherin’ny iray alina no vita sy nozaraina. Mizaka irery ny […]





