Fiaraha-monina

Politeknika Vontovorona : hampiakarina ny tanjaky ny internet

Nilamina ny raharaha eny Vontovorona rehefa nihaona ny andaniny roa. Nanome toky hanao ezaka ny fanjakana amin’ny fantsarana ireo fotodrafitrasan’ny mpianatra. Efa nanomboka nahazo vatsim-pianarana ireo mpianatra. Nifanatona ny fanjakana sy ny mpianatra eny amin’ny politekika Von­to­vorona nandamin-draharaha ny faran’ny herinandro teo. Milamina amin’ny ampahany ny savorovoro eny amin’ity sampan’ny […]

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora: fotoana ampitomboana fahalalana sy traikefa

Nankalazaina omaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany ho an’i Madagasikara. Nitarika izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahan­tena mpisolo toerana, Ramon­javelo Valéry. “Tanora liam-pivoarana, tanora mahay mikirakira niomerika, fanoitra amin’ ny fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy” ny lohahevitra tamin’ity taona ity. “Sehatra […]

« Géoforum »- andiany faharoa: hifantoka amin’ny fikirakirana ny harena an-kibon’ny tany

Hotanterahina etsy amin’ ny Mining Business Center (MBC) Ivato, ny 22 sy 23 ao­go­sitra izao ny hetsika “Géofo­rum”, andiany faharoa. Hetsika iaraha-miasa sy tohanan’ny orinasa Telma Madagascar. Omena sehatra ny fanampiana ireo tanora malagasy maniry ny hanaraka ny lalam-piofanana Géoscience eny anivon’ny sekoly ambony polytechnique Vontovorona. Hifantoka amin’ ny fomba […]

Niofana handrafitra tetibola ireo vehivavy ben’ny Tanàna 94

Manao adisisika amin’ny hampiakarana ny sorabola ho an’ny fahasalamana ny firaisamonina sivily, tafiditra ao anatiny ny sorabola natokana hividianana vaksiny izay mbola miankina betsaka amin’ny mpiray ombon’antoka vahiny. Nikarakara atrikasa nandritra ny roa andro, teny Am­batomirahavavy, ho an’ny vehivavy voafidy ho ben’ ny Tanàna 94 manerana ny Nosy ny Vovonan’ny […]

Ambalamanasy -Toamasina: tokantrano maro ahina ho rava fonenana

Nisavoritaka vao maraina ny fokonolona ao Ambalama­nasy, Carreaux fahatelo, afakomaly. Anton’izany ny filazana fa hisy ny fandravana tokantrano manodidina ny 120 tafo any an-toerana. Efa tonga teny an-toerana ny vaditany nanatanteraka ny didy fanesorana ny fefy sy ny trano eo amin’ilay toerana. Tsy nanaiky lembenana tamin’izany ny fokonolona ary niaro ny […]