Mampitaraina ny ankamaroan’ny tompona fiara ny fikarakarana sy fahazoana tombontsoa amin’ny trano fiantohana rehefa misy ny loza mitranga. Miankina amin’ny zava-misy kosa ny fanefan’ny trano fiantohana ny vola mifandraika amin’ izany. Anisan’ny mampimenomenona ny tompona fiara sy mpamily maro ny fahelana sy fivoahan’ny vola any amin’ny trano fiantohana rehefa misy […]
Fiaraha-monina
Tetikasa Tsimbina: vola 165 miliara Ar hozaraina amin’ny tokantrano miisa 821 250
Vola 2 hetsy isan-tokantrano no hozaraina ao anatin’ny tetikasa Tsimbina. Mitentina 165 miliara Ar ny vola hozaraina manerana ny Nosy. Ireo tokantrano tena marefo an-tanàn-dehibe no hisitraka izany ho fiatrehana ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fidiran’ny mpianatra. Ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, mihitsy no nampahafantatra ny fiaingan’ny tetikasa Tsimbina tetsy amin’ […]
Fifaninanana iraisam-pirenena: misongadina amin’ny sehatry ny robotika i Madagasikara
Nitondra avo ny anaran’i Madagasikara ireo Malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena robotika. Nanasongadina ny fahaizana manetsika sy mibaiko robot hanao zavatra iray izy ireo. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny Telma Madagascar Andraharo, omaly, ireo tanora malagasy nandray anjara tamin’ny fifaninana mahakasika ny robotika. Fifaninana iraisam-pirenena “Pan-African Robotics […]
Ady amin’ny herisetra: 25 mianadahy nahazo fiofanana
Mpisehatra amin’ny fisorohana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na ny mahavavy miisa 25 mianadahy no niofana nandritra ny 3 andro, tao Antsiranana. Fotoana nahafahana nandalina karazana hevitra maro sy rafi-dalàna mifandray amin’ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ny fiofanana. Natolotra tamin’izany ireo fitaovana enti-miasa hisorohana ireo karazana herisetra. Ny delegasion’ny […]
Fiomanana ny mety hisian’ny ranobe: namolavola hafatra iraisana ny mpiantsehatra
Maro ny mpiantsehatra misahana ny maha olona rehefa ao anatin’ny hamehana manoloana ny loza sy ny tandindon-doza, toy ny ranobe vokatry ny rotsakorana. Zava-dehibe ny asa fiomanana mialoha, hampihenana ny vokatry ny loza amin’ny fiainan’ny vahoaka sy ny fihariany. Volavolaina mialoha ny hafatra hoentina eny amin’ny mpiantsehatra rehetra ho an’ny […]





