Manatanteraka ny vinan’ny FJKM “Fiangonana maitso, Sekoly maitso” ny sekoly FJKM rehetra manerana ny Nosy. Hanatanteraka fambolen-kazo eny amin’ny sekoly FJKM Mahitsy sy eny Mananjara izy ireo ny 24 febroary izao. Miavaka ny karazan-kazo hambolena amin’izany satria ireo hazo voafantina sy tsara voatra ho endriky ny tanàna no hovolena. Eo […]
Fiaraha-monina
Olona voan’ny androbe: afaka miasa rehefa manaraka fitsaboana
Manao vaindohan-draharaha ny ady atao amin’ny aretina androbe ary manana paikady enti-miasa ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny olona voan’izany aretina izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nametraka iray volana hiadiana amin’ny androbe ny minisitera izay nanomboka ny 13 febroary teo , daty anamarihana ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny aretina androbe. Misy koa […]
Manakara : mpirahavavy maty tao an-davadrano
Nifamonjy rehefa nilatsaka tao anaty lavaka feno rano ny zazavavy roa tao Manakara, ny alahady maraina teo. Teo amin’ny toerana fisasan’ny olona izy mirahavavy izao tra-doza izao. Nisy vato malama mipetraka teo amoron’io lavadrano io. Nanitsaka izany ilay zandriny ka nilatsaka tao anaty lavaka. Niezaka namonjy ary nisintona ilay zandriny […]
Any Frantsa : azon’ny tanora alaina eny amin’ny farmasia ny fimailo
Nanomboka ny fiandohan’ny taona teo, afaka maka fimailo maimaimpoana eny amin’ny farmasia ny tanora latsaky ny 26 taona any Frantsa. Paikady noraisin’ny fanjakana frantsay hampidinana ny tahan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST) tsy voaaro izany. «Nahatratra 2 tapitrisa sahady ny fitaovam-piarovana nozaraina», hoy ny minisitry ny Fahasalamana, François […]
St valentin : mivoatra manaraka ny toetrandro ny fanomezana
Fotoana iray hanamarihana ny andron’ny mpifankatia anio. Toy ny isan-taona, samy manao izay ho afany ireo mpivarotra misarika ny mpanjifa hividy fanomezana hatolotra ny olon-tiana. Mivoatra manaraka ny toetrandro ny karazana fanomezana atolotra. Mbola eo foana anefa ny voninkazo raozy izay atolotry ny lehilahy ny vehivavy matetika. Fa eo indrindra […]