Fiaraha-monina

CNEC : Ambatolaona Zandary 69 nahazo “brevet”

Nifarana omaly ny fiofanana «Commando Apinga» nata­on’ireo zandary teo anivon’ny FIGN sy ny GSIS Ivato, teny amin’ny foibem-pirenena fiofanana «Commando Amba­to­laona na CNEC, an’ny Tafika Malagasy eo anivon’ny Bataillon voalohan’ny mpilatsaka an’elonaina. Misokatra ho an’ireo hery rehetra amin’ny famolavolana ireo mpitandro filaminana ho lasa Commando ny CNEC Ambatolaona. Araka izany, […]

Fofifa : mitaky ny hialan’ny tale jeneraly ireo mpiasa

Tapitra ny fe-potoana 72 ora nomen’ireo mpiasan’ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (Fofifa) hialan’ny tale jeneraly am-perinasa. Miroso amin’ny fitokonana faobe ireo mpiasa. Mitokona sy mitaky ny fanesorana ny tale jeneraly am-perinasa ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (Fofifa) ireo mpiasa manerana ny Nosy taorian’ny fe-potoana 72 ora […]

Zotra nasionaly: nahitana fiakarany 5000 Ar ny saran-dalana

Nanomboka nampiakatra saran-dalana ny koperativa sasany mankany amin’ny zotra nasionaly, tamin’ity herinandro ity. Anisan’ny nahitana izany ny koperativa “Soa trans” etsy Andrefanambohija­nahary, raha ny fanadihadiana natao. “Nampiakarina ho 5000 Ariary isaky ny toerana ny saran-dalana ho an’ny zotra nasionaly miainga eto Antana­narivo, ankoatra an’i Moron­dava”, hoy ny tomponandraikitra iray ao […]

Fihaonamben’ny mpiasan’ny fahasalamana: I Toamasina no handray ny andiany fahatelo

Mahatratra 4500 ireo mpi­asan’ny fahasalamana manatanteraka ny fihaonambe any Mahajanga (SPSM), nanomboka tamin’ity herinandro ity. Na­hatonga solontena mavitrika avokoa ny avy amin’ny faritra 23. Fanehoana firaisankina sy fampivondronana ny hery ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana no tanjona. Ahitana ireo toko telo ma­hamasa-nahandro, ireo dokotera, ny paramedy sy ny infirmiera ary ny […]