Fiaraha-monina

Fiahiana sosialy Tsimbina: tokantrano 657 000 hahazo vola 250 000 Ar avy

Manao ezaka ny fanjakana mitondra vahaolana ho an’ny fianakaviana tena sahirana manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao. Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny tatitra momba ny fanatanterahana ny fandaharanasa fiahiana sosialy Tsim­bina. Tanjon’ny tetikasa ny hanohanana tokantrano marefo ara-pivelomana hanalefahana ny vokatry ny fiakaran’ny vidim-piainana sy hitazomana ny […]

Ho an’ny faritra 14: hitombo ny rotsakorana amin’ity volana ity

Ho an’ity volana ity, vinavinaina hifanaraka na hanatombo kokoa noho ny tokony ho izy ny rotsakorana ho azo ho an’ny faritra Diana, Sava, Ambatosoa (tapany avaratra), Sofia (sisiny avaratra), Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana (tapany avaratra), Ihorombe (tapany atsinanana), Atsimo Atsinanana, Fitovinany, Vatovavy (tapany atsimo), Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania sy Vakinankaratra […]

Taolagnaro: mifanohana ny tomponandaikitra

Nihaona mivantana, ny talata teo, ireo ben’ny Tanàna ao amin’ny distrikan’i Taola­gnaro sy ireo solontenam-panjakana izay notarihin’ny governoran’ny faritra Anôsy, Rako­tovelomanantsoa Voa­hary, miaraka amin’ny solombavambahoaka… Nandinihana ny fampi­harana ny didim-panjakana N°2020-833 mamaritra ny fitantanana, fampiasana ary fanaraha-maso ny famatsiam-bola natokana ho fanohanana ny sehatry ny fampandrosoana (CIAD) ampiasain’ireo solombavambahoaka eny […]

fanentanana sy ny fizarana fitaovana: nitombo ny tahan’ny fanasana tanana amin’ny EPP 30

Misoroka aretina maro ny fahazoana mampiasa rano madio miaraka amin’ny savony. Nisy ny ezaka natao amin’ny fametrahana fotodrafitrasa sy paikady hanamorana ny fisitrahana rano ka nampiakatra ny tahan’ny fikirakirana azy any an-tsekoly sy eny amin’ny tobim-pahasalamana niaraka amin’ny Water Aid. Nisy fanadihadiana natao momba ny tahan’ny fa­nasana tanana amin’ny rano […]

« Projet TQS» Tanora malagasy telo hisitraka ny tetikasa

Tontosa omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny lanonana tsotra nanehoana ireo tanora andiany voalohany hisitraka ny tetikasa tolotrasa ho an’ny tanora mpiasa manana fahaiza-manao manokana na « Projet de recrutement de jeunes travailleurs qualifiés spécialisés » (TQS). Niatrika izany i Kaori Tanaka, solontena maharitry ny Jica eto amin­tsika sy ireo tale isan-tsokajiny […]