Fiaraha-monina

Filoha Rajoelina Andry: tokantrano 2570 hisitraka vola 120 000 Ar

Anisan’ireo nitondra takaitra taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza farany teo ary mitoka-monina tanteraka ankehitriny ny distrikan’Ambato Boeny. Araka ny efa nambaran’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry nandritra ny diany tao Ma­rovoay ny herinandro lasa teo, tonga nitondra fanampiana ireo tokantrano traboina miisa 1105 tao Ambato Boeny izy ny faran’ny herinandro teo. Dibo-drano ny ankamaroan’ny […]

Faritra Analamanga: nohavaozina ny drafitra fiomanana amin’ny hamehana

Nisy atrikasa fanavaozana ny drafitra fiomanana ho amin’ny hamehana ho an’ny faritra Analamanga. Tonto­saina mandritry ny roa andro teny Manjakaray, araka ny fampitam-baovao avy amin’ ny BNGRC, tamin’ity herinandro ity izany. Ao anatin’ ny vanim-potoan’ny fahavaratra tanteraka izao ka tsy mbola tara ny fiomanana ny ho amin’izany. Iray foana ny […]

Sosialim-bahoaka: hajoro ao Amoron’i Mania ny GTPS

Nandinika ny fananga­nana ny vondron’ireo tompon’andraikitra hisahana ny fiahiana ara-tsosialy na ny Groupe Thématique de la Protection Sociale (GTPS) eny ifotony ireo sampandra­haraham-panjakana samihafa ao Amoron’i Mania. Nitarika ny fivoriana maika tamin’izany ny se­kretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina, Rakoto­nirina Miarisoa Patricia sy ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy, Rivomanana Tsarahita Ghisbert.. Mifototra […]

Ambatovy: nanolotra jiro 500 isa

Nanolotra fitaovam-panazavana mandeha amin’ny herin’ny masoandro 500 isa ho an’ireo tokantrano marefo ao amin’ny tanànan’Ampa­simbe sy Ranomafana Atsi­nanana ny orinasa Amba­tovy, tamin’ity herinandro ity. Tao amin’ny tanànan’i Tanambao no notontosaina ny fanolorana ireto fanomezana ireto ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy. Tafiditra amin’ny fanda­haranasan’Ambatovy ho fam­pandrosoana ny vondrom-piarahamonina ny hetsika […]

CUA : mpivarotra hani-masaka 40 nahazo mari-pankasitrahana

Mpivarotra hani-ma­saka miisa 40 teto Antananarivo nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny INTH (Ivon-toeram-pampianarana misahana ny fizahantany sy hotely) omaly. Mpivarotra teo anivon’ny tsenan’ny Mahama­sina, Soamanatombo ary Zemaika izy ireo. Niom­pana amin’ny « securité alimentaire » ny fiofanana nomena azy ireo hoy ny tompon’andraikitra. Nojerena mano­kana ny fomba atao mba hialana amin’ny ahiahin’ny mpanjifa […]