Vakansy ny andro, mihenjy milalao mihoatra ny fanaony isan’andro ny ankizy. Tranga mety hiseho ny fahatapahan’ny taolana vokatry ny fianjerana na ny dona mafy eny am-pilalaovana, na noho ny lozam-pifamoivoizana na koa mandritra ny fanatanjahantena. Raha toa ka misy olona tapaka, entina haingana eny amin’ny hopitaly avy hatrany, araka ny […]
Fiaraha-monina
Voatoraka “lacrymogène”: mpianatry ny Politeknika, maratra mafy!
Andro fahatelo amin’ny fitakiana ataon’ny mpianatra, omaly. Nisy ny naratra ho an’ny andro roa voalohany, fa mafy kosa ny fiantraikan’ny lacrymogène tamin’ny mpianatra iray voatery nentina haingana teny amin’ny HJRA. Mitohy ny hetsika hoy ny mpitarika. «Mpianatra eny amin’ ny politeknika Vontovorona no voan’ny lacrymogène notifirin’ny mpitandro filaminana teo amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina, any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy noho ny alondrano avy atsimo andrefana. Hahery ny ranomasina hanomboka anio ary hitohy rahampitso ny filazana fampitandremana miloko maitso, eo anelanelan’i Morombe sy Taolagnaro. Hiara-hiasa ny oniversiten’i Mahajanga sy ny Université de téchnologie Tarbes-Frantsa (UTTOP). […]
Bakalorea – Sokajy rehetra : “Maivana ny laza adina fizika simia”, hoy ny mpampianatra
“Mitohy ny fitsarana ny taratasim-panadinana amin’ny bakalorea ho an’ny eto Antananarivo ary tombanana hifarana rahampitso”, hoy ireo mpitsara. Tsy nisy nanaiky nanao sonia ny taratasy fanekena naroson’ny mpiandraikitry ny bakalorea ireo mpitsara momba ny faneken’ny mpitsara ny fanapahan-kevitry ny tomponandraikitra sy ny fandaminana mifanaraka amin’ izay. Manahy ny fisian’ny ambadika […]
Hasin’ny zaza manga : hiompana amin’ ny asa sosialy
“Anisan’ny kaominina azo lazaina tsy dia mandroso loatra ny kaominina Ambato raha oharina amin’ny kaominina manodidina ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo”, hoy ny filohan’ny fikambanana Hasin’ny zaza manga, Rakotondravao Sarobidy. Anisan’ny manao asa sosialy any an-toerana, hampandrosoana io kaominina io, ny fikambanana izay tarihiny hatramin’izay. Toy ny fanaovana didim-poitra faobe sy ny […]





