Afaka mamonjy aina 820 000 isan-taona ny fampiakarana ny tahan’ny fampinonoana amin’ny nonon-dreny. Miaro ny zaza amin’ny aretina samihafa izany ary mampihena ny karazana homamiadana ho an’ny reny. Nomarihina, tamin’ity herinandro ity, ny Herinandro ho an’ny fampinonoana amin’ny nonon-dreny. “Fanohanana ny fampinonoana, areno ny lesoka” no lohahevitra nosafidiana, ho an’ity taona […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Mamarana ny fiofanany amin’ny alalan’ny fihaonana an-tampony atao aoWashington DC ireo tanora Malagasy nahavita ny fiofanana Yali Mandela…(MWF) 2024. Samy nandranto fahalalana tany amin’ny Oniversite nivantanany avy izy ireo ka mihaona miaraka amin’ireo mpiofana rehetra nisitraka ny vatsim-pianarana. Tanterahina ao Fianarantsoa, nanomboka tamin’ity herinandro ity, ny Androm-pirenena ho an’ny fanabeazana […]
Fanarenana taorian’ny rivodoza: fianakaviana 485 ao Ambilobe nizarana fitaovana
Efa manomboka miarina ny fiainan’ireo mponina lasibatry ny fahasimbana noho ilay rivodoza Gamane farany teo, ho an’ny distrikan’Ambilobe. Ho an’ireo lalana nahitana fahasimbana toy ny ao Efasy sy ny eo Mahavavy, vita vaovao avokoa izany ary miverina amin’ny asany andavonandrony ihany koa ny mponina. Manohy ny fanampiana ireo olona nisedra […]
Niato ny hetsiky ny mpianatra: “Tsy nisy fanatsarana mihitsy ny fotodrafitrasan’ny politeknika”
Tsy mbola nilamina tanteraka ny eny Vontovorona. Nisy ny fanambarana nataon’ny minisitra mpisolo toerana fa hivoaka amin’ny herinandro ambony ny lisitr’ireo mpianatra hisitraka vatsim-pianarana telo volana faharoa. Niato ny hetsika fitakiana teny amin’ny politeknika Vontovorona, omaly. Namangy ny namany naratra teny amin’ny HJRA kosa ireo mpitarika ka nitondra fankaherezana ho […]
“Carrefour de la Formation des Métiers et de l’Emploi 2024” : Tanora 8000 andrasana hitady asa sy fianarana
Hotanterahina etsy amin’ny Alliance Française d’Antananarivo Andavamamba, ny 6 hatramin’ny 10 Aogositra izao, ny “carrefour de la formation des métiers et de l’emploi”, andiany fahavalo. Hetsika hiaraha-miasa sy tohanan’ny Telma Madagascar. Mahatratra 500 000 ireo ankizy mitady asa sy fianarana isan-taona eto Madagasikara. «Tanora manodidina ny 8000 no andrasana hitsidika […]





