Marobe ireo olona tonga namboly hazo teny amin’ny kaominina Masindray, omaly. Fambolen-kazo notarihin’ny goverinoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Niarahana tamin’ireo antoko sy fikambanana ary olon-tsotra manohana ny asa fampandrosoana ataon’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry izany. Nandefa solontena avokoa ny boriborintany sy ny kaominina rehetra eto Analamanga. Ankoatra izany ireo fikambanana isan-karazana sy olon-tsotra […]
Fiaraha-monina
Rasoamaromaka Hery : amboarina atao mafy sy mateza ny lalan’ Antananarivo
Nanome toky ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly fa ho amboarina ny lalan’Antananarivo izay potika avokoa ny ankamaroany amin’izao fotoana izao. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny Asa vaventy ary ny ben’ny Tanàna fa hifarimbona amin’ny fanamboaran-dalana. Orinasa goavana no hiandraikitra ny asa ary hatao mafy sy […]
Hisorohana ny fanararaotana samihafa : tanora 30 niofana amin’ny fampiasana « internet » anaty fitandremana
Fitaovan-tserasera miasa isan’andro amin’ny asa, fianarana, fihariana, fampivelarana amin’ny maha olona ny « internet ». Voasarika ao avokoa ny sokajin-taona rehetra, indrindra ny ankizy. Nanao fanadihadiana ny Ecpat France sy ny End violence partnership ary ny Unicef ny taona 2021 momba ny ankizy sy ny fanararaotana mamoafady an’habaka mihatra amin’izy ireo. Tamin’ny […]
CUA : hisitraka ny tolotra ara-pahasalamana ny mponin’Anjanahary
Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka tanterahin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hotanterahina eny Anjanahary, boriborintany fahadimy indray ny hetsika ara-pahasalamana faobe manomboka anio hatramin’ ny zoma 10 febroary izao. Ho hita amin’izany ny fitiliana diabeta, ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny covid-19, ny fizahana maso maimaimpoana sy fivarotana solomaso amin’ny vidiny zakan’ny rehetra. […]
Fahasalamana: manodidina ny 20 ireo karazan’aretina tsinotsinoavina
Homarihina ny 11sy 12 febroary izao any Ampefy ny andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina notsinotsinoavina. Tafiditra ao anatin’ireo sokajin’aretina tsy dia mampiraika loatra ny aretina ateraky ny kankana toy ny bilarziozy, ny sakoitra, ny ongobe… Manodidina ny 20 ireo karazan’aretina tsinontsiniavina kanefa mety hiteraka fahasamponana na kilema, eny mety hitarika […]