Fiaraha-monina

Kolikoly avo lenta : manjaka ny herisetra ara-nofo

Tranga niseho tamina fianakaviana mahatsiaro hiharan’ny tsindrihazolena no resahin’ity renim-pianakaviana ity. Mahakasika ny fanararaotana ara-nofo nahazo ny zanany, izay nataona mpandraharaha iray. “Novetavetaina, noraviravizana vola ary norahonana mihitsy aza. Farany, bevohokan’ny tovolahy mpandraharaha ilay zanako 16 taona ary noteren’ ilay lehilahy hanala zaza avy eo”. Tsy nanaiky izany ny fianakaviana […]

SAMPANA MPAMONJY VOINA : 126 ireo trangana fahamaizana, 35 maty

Nitombo ny trangana famonjena voina nataon’ny Sampana mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodi­dina tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Maha­tratra 126 ireo trangana famaizana niseho, raha ny tatitra nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy Tsaralalana, omaly. Betsaka indrindra tamin’izany ny trangana haintrano, manodi­dina ny 80. 9 […]

INDRAY MIJERY

Ankoatra ny lasy jobily tanterahina eny Fihaonana, fotoana maro hamaritra ny hoavin’ny sko­tisma sy ny firenena ho an’ny 100 taona manaraka ity volana ity. Rasoamahenina Sanda, Malagasy kandidà ho amin’ny komity mpitantana ny skotisma maneran-tany hofidina mandritra ny fivoariam-ben’ny skoto maneran-tany ny 17 hatramin’ny 23 aogositra ho avy izao, any […]

Homamiadana : tsy mazoto manao fitiliana ny vehivavy

Nofaranana, afakomaly, tetsy Ankatso, ny fanaovana fitiliana maimaimpoana nokarakarain’ny Douleur sans frontières. Hetsika niarahan’izy ireo niasa tamin’ny Fianaka­viana sambatra (Fisa). Nisy ny valandresaka natao teny an-toerana nandinihina lohahevitra maro, toy ny fahasalamana ara-pananahana, ny fahasalaman’ny vehivavy. Tanjona ny hanentana ny vehivavy hanao fitiliana hahafahana maman­tatra raha misy homamiadana izy na […]

Famarinana olona : hentitra ny sazy ho an’ny mahavanon-doza

Nihaona tamin’ny tomponandraikitra tao Nosy Be ny mpisolo toerana ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny masoivoho amerikanina, Julianna Kim, omaly. Nandray anjara tamin’ ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny famarinana olona, tany an-toerana, ny tenany. Nilaza izy fa manantena ny hivadihan’ireo tolo-kevitra ho lalàna izay mitaky sazy hentitra ho an’ireo […]