Fiaraha-monina

Lalàna mifehy ny fanavaozana ny rafi-panabeazana: “Majavozavo ka mila fanatanterahana zaikabe”, hoy ny filohan’ny Dnelm

Lany teny anivon’ny andrim-panjakana mpanao lalàna roa ny volavolan-dalàna laharana faha 009/2022 tamin’ny 15 jona 2022 mahakasika ny Lalàna mifehy ny fanavaozana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara. Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimierandoholona Anosy, nandritra ny fivoriana ny talata 13 desambra teo. Manoloana ny fivoaran’ny raharaha, nitondra fanehoan-kevitra ny filoha nasionaly […]

Ankatoky ny fety: ankafizin’ny   ankizy ny hazo noely ao an-trano

Ankafizin’ny  Malagasy  ny manaingo trano amin’ny alalan’ny  fametrahana hazo noely .  Hita manao izany hatreto ny trano misy zazakely sy ankizy, raha ny fanadihadiana natao.  Ny ankizy no tena ampifaliana satria fetin’ny zareo rahateo ny noely, hoy i Toky.  Mangataka ny hisian’izany ao an-trano izy ireo,  mitomany mihitsy raha sanatria […]

Fihotsahan’ny tany: mponina 10 000 amin’ny fokontany 15 tandindomin-doza 

Nanao fanairana ireo mponina mipetraka eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana sy ny manodidina ny kaominina  Antananarivo Renivohitra , ny vondrona mpamonjy voina miaraka amin’ny BNGRC, ny prefektioran’Antananarivo  ary ny corps de protection civile, momba ny mety hihotsahan’ny tany. Tandindomin-doza ireo mponina miisa 10 000, mipetraka eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana, Ambohidempona ary Faravohitra sy […]

Salama BNI – Fondation Axian: notokanana ny CSB I vaovao ao Amboaroy

Notokanana ny alarobia teo ny fotodrafitrasa, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Salama BNI”, niarahana tamin’ny Fondation Axian sy ny kaominina. Misokatra ho an’ny marary sy ireo mpiteraka ny CSB I vaovao eny amin’ny fokontany Amboaroy, ao anatin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo. Ahitana efitra dimy, ahafahana mandray marary sy mandray mpiteraka […]

Seces : “Mananon­tanona ny mosary”

Mbola latsaky ny 10% amin’ny toeram-pambolena isan-taona no voavoly vary any Alaotra amin’izao fotoana izao, hoy ny fanambaran’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka Seces, sampana Antananarivo, omaly. Mihan­tona ny rotsak’orana any an-toerana vokatry ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiakaran’ny hafanan’ny tany. Manify ny tahirim-bary any Antsihanaka satria tafakatra 800 Ar ny vidin’ny […]