Tanterahina any Mahajanga, ny 14 ka hatramin’ny 16 mey izao, ny Andron’ny Holafitry ny fahasalamana. Nanazava ny filohan’ny Holafitry ny farmasianina, Rakotomalala Tantely, fa fampahafantarana ny antom-pisian’ny holafitra no atao mandritra ny 3 andro. Misy amin’ireo mpiantsehitra amin’ny fahasalamana no tsy mahafantatra akory ny antom-pisian’ny holafitra. Ankoatra izay, fanehoana ny […]
Fiaraha-monina
Rakotomavo Zo: “Tsy hita maso kanefa mankarary ny fahalotoan’ny rivotra”
Anisan’ny lasibatry ny fahalotoan’ny rivotra ny sokajin’olona marefo, toy ny ankizy sy ny zokiolona ary ireo manana aretina mitaiza. “Tsy hita maso sy tsy azo tsapain-tanana ny rivotra maloto kanefa mankarary”, hoy ny mpikaroka momba ny toetr’andro, Rakotomavo Zo. Niresaka manokana momba ny fiantraikan’ny fahalotoan’ny rivotra amin’ny fahasalamana ny mpikaroka […]
INDRAY MIJERY
Hisy fandidiana maimaimpoana iarahana amin’ ny ONG Enfants du monde ao amin’ny hopitalibe Antsiranana, ny 21 hatramin’ny 24 mey ho avy izao. Aretina mahazo ny tarehy sy ny tenda no hodidina amin’izany. Mila manao fizaham-pahasalamana mialoha ny 13 hatramin’ny 17 mey, ao amin’ny CHUPKA (Bureau des consultations externes), isaky ny […]
Croix Rouge: mifototra amin’ny fiahiana ny maha olona
Nomarihina ny alarobia teo, tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Croix Rouge sy ny Croissant Rouge. 61 taona no nijoroany teto Madagasikara (1963-2021). “Koloy hiaina ny maha olona”, io ny lohahevitra novoizina nandritra ny fankalazana. Nanasongadinana indrindra ny sehatry ny maha olona sy ny firaisankina ny hetsika […]
Fampiasana drône: olona an-tapitrisa no misitraka fanafody
Nomarihina tamin’ity herinandro ity ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny drône. Eto amintsika, efa fitaovana famatsiana fanafody manaraka ny teknolojia haingana sy azo antoka izy io, indrindra any amin’ireo toerana tsy tongan’ny fiara sy saro-dalana. Hatramin’ny volana septambra 2019, tamin’ny alalan’ny fampiasana ity fitaovana ity, afaka nifandray tamin’ireo olona maro any […]




