Manomboka ny faha-3 hatramin’ny 9 taona ny ankizy no mora mandray kokoa ny fanabeazana. Fikambanana misahana izany ny Zazakely Sambatra, niorina teto Madagasikara, nanomboka ny taona 2004. Tanjona ny hampivelarana dieny mbola kely ny ankizy, mba ho afaka mamolavola ny hoaviny. Misy ny paikadim-panabeazana «Think Equal», miainga amin’ ny fampivelarana […]
Fiaraha-monina
Fakiolten’ny Siansa : nankasitrahana ireo nahavita be
Nofaranana ny faran’ny herinandro teo ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ny fakiolten’ny Siansa ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Notolorana mari-boninahitra ireo mpampianatra sy mpandraharaha 144 nahavita be teo anivon’ny fakiolte ka sivy amin’ izy ireo nahazo ny «Grand-Croix de 2ème classe de l’ordre national», 70 ireo notolorana ny «Grand officier de l’ordre national», […]
Profesora Alok Sharma : efa azo sitranina any Inde ny olona autiste
Mandrosobe ny fitsaboana sy fiahiana ny zaza autiste any ivelany. Nanaporofo izany ny profesora Alok Sharma avy any Inde. Nizara traikefa amin’ny fandrosoan’ny fitsaboana sy fitaizana ireo zaza autiste ny profesora manam-pahaizana avy any Inde, Alok Sharma, ny sabotsy teo, tetsy Antaninarenina. Fantatra tamin’izany fa efa afaka averina amin’ny toetenan’ny olona […]
Fitantanana eny ifotony: niofana ireo tomponandraikitra mivantana
Natao tamin’ity herinandro ity ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitantana ifotony amin’ny tamberin’andraikitra, ny fahombiazana ary ny fandraisana andraikitra amin’ny olom-pirenena. Tanjona ny hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra avy amin’ny minisitera isan-tsokajiny sy ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eto amin’ny faritra Analamanga. Eo koa ny fitantanana tetikasa sy fitantanana mifototra amin’ny vokatra. Ahafahana […]
Fangaraharan’ny tetibolam-panjakana: tsy ampy ny fahalalana omen’ ny fanjakana ny olom-pirenena
Efa azon’ny daholobe arahina amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny tetibolam-panjakana eto Madagasikara saingy vitsy no mahay mikirakira ny antontam-baovao mivoaka. Nozaraina omaly, teny Alarobia, ny vokatry ny fanaraha-maso ny fanadihadiana amin’ny fangaraharana sy ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena amin’ny tetibolam-panjakana eto Madagasikara, taona 2023. Firenena 125 no […]





