Noraisin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tao Ambohidahy, ny delegasionina avy amin’ny Vondrona eoropeanina. Nodinihina niaraka ireo olana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Anisan’izany ny fahasalamana ara-pananahan’ny zatovo, ny ady amin’ny areti-mifindra (tazomoka, VIH/ Sida, tiberkilaozy) ary ny fanatrarana ny vaksinin’ny zaza. Nitsidika ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mpisolo toerana ny […]
Fiaraha-monina
Fitaovam-panjonoana: mampidi-doza ny fampiasana lay misy odimoka
Nanao fanentanana ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Tsimanaorate Paubert, amin’ny tsy tokony hampiasana lay misy odimoka amin’ny resaka fanjonoana. Ny lay misy odimoka dia ahitana karazam-panafody 452 isa izay nomena alalana ho ampiasaina anatin’ireny lay ireny. Anisan’izany ny deltamethrine sy ny alpha-cyperméthrine, izay fanafody tsy tsara […]
Toetena varira : Miantso ny handaniana ny volavolan-dalàna eny anivon’ny parlemanta
Nankalazaina omaly, tetsy Faravohitra, ny andiany fahatelo amin’ny Andro manokana ho fampahafantarana ny olona manana toetena varira eto Madagasikara «Mbola marisarisa ny fahafantaran’ny olona ny toetena varira eto amin’ny Nosy. Fotoana nifampizarana sy nampahafantarana amin’ny ireo tonga nanatrika ny olona manana toetena varira izy io», hoy ny filohan’ny fikambanana varira […]
Fiparitahan’ny laza adina – TARANJA ANGLISY : nihemotra ny fanombohana
Novain’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho laza adina faharoa ny taranja Anglisy nanerana ireo ivontoeram-panalana fanadinana, omaly, noho ny fiparitahan’ny laza adina mialoha tamin’ireo ankizy. Anisan’ny nahitana ny tranga ny tetsy amin’ny CEG Nanisana. Niteraka fikorontanana teo amin’ny fotoana tokony ho nanalan’ny mpianatra ny fanadinana izany. Nihemotra ihany koa ny ora fanombohan’ny […]
INDRAY MIJERY
Nanorina efitrano vaovao hianarana, trano fivoahana, lavadrano, kianja fanaovana fanatanjahantena ary fambolen-kazo ao amin’ny CEG Mavorano, faritra Fitovinany, ny Unicef. Nitsidika any Atsimo Atsinanana ny filankevi-pitantanany ary nahita ny asan’ny Unicef hafa hanohanana ireo marefo indrindra. Anisan’izany ny fandaharanasa fiahiana sosialy Zara Mira manohana ara-bola ny ankizy sy ny ankohonany. […]





