Fiaraha-monina

Polisy monisipaly sy mpamonjy voina : vita ny asabotsy teo ny adina an-tsoratra

Notanterahina, ny asabotsy lasa teo tetsy amin’ny lycée JJ Rabearivelo Analakely, ny adina an-tsoratra tapany faharoa amin’ny fifaninanana fahatelo fandratovana polisy monisipaly 200 sy sampana mpamonjy voina 100. Efa nisy ny tapany voalohany tamin’ny adina ara-panatanjahantena sy ny adina am-bava. Taranja efatra: fahalalana ankapobeny, Mathématique, Frantsay sy Malagasy no nanadinana […]

Zone de convergence intertropicale : tsy mbola ahina hivadika rivodoza, hoy ny Meteo

Tsy mbola nivadika ho rivodoza ilay tangoron-drahona roa fa arahi-maso hatrany ny fivoarany nefa ahina hitondra ambana ho an’ny tapany avaratra sy atsinanana rahafakampitso. Ho an’ny firafitra ankapoben’ny toetry ny an­dro, mitoetra ao amin’ny ranomasimbe Indianina ny “Zone de convergence intertropicale” (ZCIT) izay arahina rahom-baratra saika manerana ny tapany avaratry […]

Ambohitrimanjaka-Andranotapahina : mampidi-doza ny fanahazam-bary anaty arabe

Miakatra tsikelikely ny vary amin’iny lemaka atsimo andrefan’Antananarivo iny. Tsikaritra tamin’ity herinandro ity fa velarin’ny olo­na any anaty arabe ny vary hatapy masoandro. Feno vary ny sisin’arabe manomboka eny amin’ny sampanana Andranotapahina hatreny amin’ny tetezan’Ambohitri­manjaka. Mitomandavana ny fanahazam-bary ary mila ho rakotra ny antsasaky ny arabe andaniny sy an-kilany. Manginy […]