Nilamina ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fanadinam-panjakana faharoa, BEPC, ho an’ny faritra Atsinanana, notanterahin’ireo solontenam-panjakana, raha ny hita tao amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara. Ho an’ny faritra Atsinanana manokana izay misy fari-piadidiam-pampianarana miisa fito, mahatratra 17 523 ny isan’ny mpiadina, mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 57. Raha ny ao an-drenivohitry ny faritra […]
Fiaraha-monina
Fanaraha-maso eny amin’ny lalam-pirenena : nodinihina ny didim-pitondrana mahakasika ny vesatry ny entana
Antony manimba haingana ny lalam-pirenena ny tsy fanajana ny vesatry ny fiara mpitatitra entana mivezivezy. Novolavolaina, araka izany, ny didim-pitondrana mifehy ny fanaraha-maso izany. Nodinihina ny herinandro teo ny volavolana didim-pitondrana vaovao hifampifehezana sy ny famaritana ny andraikitry ny tsirairay manoloana ny fanaraha-maso ny vesatry ny entana mivezivezy eny amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Manampy ny olona manan-draharaha sy mitondra marary ao aminy hamantatra ny Sampandraharaha rehetra ao ny hopitaly CHU HJRA. Nanazava ny pejiny fa mifantoka kokoa amin’ny fitsaboana ny aretina mila fandidiana ao amin’izy ireo izany. Efa misoratra mazava rahateo ireo karazana sampandraharaha isaky ny rihana sy ny efitra misy izany. Manomboka […]
Fanadinana BEPC: miisa 299 130 ny mpiadina manerana ny Nosy
Ny taranja Malagasy sy Science de la vie et de la terre no natrehin’ny mpiadina BEPC manerana ny Nosy, omaly tontolo andro. Miisa 299 130 ireo nisoratra anarana manerana ny faritra 23, hiparitaka amin’ny efitrano fanadinana 8 888 izy ireo, voatsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 1 079 isa. Mizara ho sokajy A sy B […]
Fisarihana nataon’ny Yoplait : Raim-pianakaviana lasa any Maorisy tampoka
Efa mpilalao amina karazana fisarihana Rafalimanana Haja Fetra, saingy tsy mbola nitsikian’ny vintana mihitsy hatramin’izay. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, tsy nampoiziny fa izy no tsara vintana voasarika tamin’ny lalao nataon’ny Yoplait ka nahazo ny fivahinianana any amin’ny Nosy Maorisy. “Tampoka tamiko ny fahazoako ny loka ka faly sahirana aho”, […]





