Nanao fanambarana, omaly, ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Soafilira Princia fa fomba entin’ireo tsy mitovy fijery politika handotoana ny fanjakana ny tsaho aely mikasika an’Ikongo. Tsy mivaro-janaka ny Malagasy fa fomban’ny mpianakavy kosa ny mitaiza sy manatafita ny zana-kavana rehefa misy ny fahasahiranana. Mazava ny fanambaranan’ny komity […]
Fiaraha-monina
Toeram-pandraisana ny ankizy niharan’ny herisetra -CUA : 764 ny ankizy nokarakaraina tao anatin’ny enina taona
Nitombo isan-taona ny isan’ny zaza raisina an-tanana ao amin’ ny ivontoerana fandraisana ireo ankizy niharan’ny herisetra ato anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra miorina eny amin’ny BMH Isotry. Ny taona 2017, nahatratra 133 ny zaza nandalo tao amin’ny ivontoerana ary tafiakatra 181 ny taon-dasa, araka ny fanazavana. Ireo ankizy tsy nisy mpiahy […]
Andramasina: mifarimbona ny mpitatitra manamboatra ireo lalan-dratsy
Naneho firaisankina ny mpitatitra mandeha amin’iny lalan’Ambohimiadana Andramasina iny. Hifarimbona amin’ny fanamboaran-dalana izy ireo ka nivonona amin’ny fandraisana anjara mivantana hanatsarana ny asa fitaterana, izay fiveloman’izy ireo mihitsy. Tena potika tanteraka ny ampahan-dalana eo anelanelan’Ambohimiadana sy Anempoka. Velon-taraina ireo mpitatitra fa sady manimba fiara no mamono antoka tanteraka satria ela […]
Raha tsy mivaly ny fitakiana: tsy hampianatra ny Seces sampana Antananarivo
Manoloana ireo fitakiana marobe nataon’ny Seces sampana Antananarivo, tsy hiroso amin’ny fidiran’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony izy ireo raha tsy vahan’ny fanjakana amin’ny ampahany ny fitakiana. Nanao fivoriambe teny Ankatso ny Seces sampana Antananarivo, omaly. Nilaza fa mbola tsy hiroso amin’ny fidirana ho an’ny taom-pianarana 2022 – 2023 eny […]
Ankazobe : mpangalatra akoho tra-tehaka tao anaty fisoko
Noraisim-potsiny tao anaty fisoko ny mpangalatra akoho iray tao Ankazobe, afakomaly. Mbola tsy nihidy ny vavahadin’ny tompontrano, nanararaotra niditra ity olon-dratsy ity. Niandry ny alina tsy hisy mpivezivezy intsony, nitsofoka tao anatin’ny tranon’akoho izy. Nangalarin’ity tontakely ity ny akoho miisa valo. Efa nofatorany tsikelikely ireo biby ireo ary niandry izay […]